airtel

Politique

05-juin-2024

Antoko politika Marina

«Tsy tokony ho ny vokatra ankapobeny fotsiny no avoakan’ny CENI!»

Sample post image

Ny zava-misy amin’izao dia manamarina foana ny fitakiana an-taona maro hoe mila avaozina ny

05-juin-2024

tontolon’ny fomba fikarakarana fifidianana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika Marina. Efa notakiana foana io, hoy ny filohan’izy ireo Désiré Ranaivoson, tahaka ny hoe mila fidiana ny sefo fokontany. Tamin’ny 2017, 7 taona lasa, no efa nitaky izany ny antoko Marina. Be dia be izao ny fitarainana hoe manao fampilezankevitra mivantana mihitsy indraindray ny sefo fokontany. Notakiana tamin’izany koa ny hoe mila avaozina ilay lalàna mifehy fifidianana. Ilay tontolom-pifidianana mihitsy izany no tsy ahafaha-manao fifidianana am-pitoniana amin’izao fotoana izao. Mila fiaraha-midiniky ny malagasy hanatsarana an’io. Mandeha ny fifanilihana dia somary manahirana tokoa ny savorovoro izay mampahatsiahy ny tononkalon’i Rado hoe «Itsy milaza an’iry ho mpandainga. Izatsy milaza an’iry ho mpamitaka. Manahy aho fa efa miainga any sahady ny ady saritaka!». Raha tena hiady amin’ny savorovoro isika dia tsy tokony hoe ny vokatra ankapobeny fotsiny no avoakan’ny CENI fa tokony hamoaka amin’ny fomba hafa ny vokatra samihafa hahafahan’ny malagasy rehetra manara-maso koa izy hoe voka-pifidianana isaky ny biraom-pifidianana! Azo atao tsara izany na ny olompirenena tsotra, na mpanara-maso na mpanao politika na mpilatsaka ho fidiana no samy afaka manara-maso hoe ity no firaketana an-tsoratra na PV am-pelantananay dia ity no vokatra tao amin’ilay birao fandatsaham-bato nifidiananay, ito marina tokoa no vokatra tao. Manala ny ahiahy eo amin’ny fikirakirana vokatra ny fisian’ny mangarahara, hoy hatrany ny antoko politika Marina.
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap