airtel

Politique

07-déc-2023

Antoko politika Natiora

“Efa hanomboka ho tsapan’ny malagasy hoe iza no iza?”

Sample post image

Tsy nandamoka ny tolona fa maro no namaly ny antson’ireo vondron’ny kandida ka

07-déc-2023

tsy tonga nifidy ny 16 novambra teo, hoy ny antoko politika Natiora. 11 tapitrisa eo no isan’ny mpifidy, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho. 2 tapitrisa mahery no vato azon’i Andry Nirina Rajoelina. “On a perdu une bataille mais pas la guerre.” na koa hoe resy tamin’ny fifanandrinana isika fa tsy resy an’ady, hoy i De Gaulle izay. Arakarak’izay zava-misy eo no hitondrana ny ady. Efa tamin’ny 2020 no nikaon-doha teny By Pass ny mpanohitra ary nilaza fa tsy mety io CENI sy HCC io. Mbola nisy nanaiky hilalao tao anatin’ireo rafitra tsy mety ireo nefa. Inona moa no atao fa hiandry ny fametrahana ara-pomba ofisialy ny filoham-pirenena izany dia ho hita eo indray hoe iza avy no andeha hankany. Efa hanomboka ho tsapan’ny malagasy hoe iza no iza dia iza no mpamitaka sy mpampiresaka? Tsy adala ny malagasy saingy ny mampalahelo dia diso fanantenana ireo tena vonona hitolona tamin’iny hetsika fotsy iny. Ry zareo moa no nitarika dia nisy ny nilaza hoe diso stratejia fa amiko olona efa nitantana firenena ny ankamaroan’ireny. Tsy diso stratejia ry zareo fa iny mihitsy no tiany natao. Asa raha handeha io fitantanana io satria tsy maintsy hiady toerana ry zareo samy zareo. Ny fifidianana iny no vita fa ny fiadiana seza izao hafotaka ary izay tsy mahazo mety hivadika aty amin’ny mpanohitra. Tokony hiova saina amin’izay ny malagasy ary anton’ny hetsikay ny 10 desambra io. Fampianarana ny mpikambana no ho ataonay ao. Hijery izahay hoe inona no atao hoe politika mety amin’i Madagasikara? Misy lafin-javatra na “paradigme” miisa 7 ho velabelarina amin’ny alalan’ny antsoina hoe “progiciel” na tekinolojia hametrahana vina ho an’i Madagasikara ary iarahanay miasa amin’ny AFK na Antso fiarahamonina Kristianina. Hitanay fa isan’ny fitaovana lehibe hanova an’i Madagasikara io, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap