airtel

Politique

08-sept-2023

Antoko politika Natiora

“Fotoana izao hanamboarana ny rafitra eto Madagasikara!”

Sample post image

Tsy antoko mpi-werawera ny antoko politika Natiora fa hery afovoany, hoy ny filohany, Mihari-Ni-Rencho. Inona moa, hoy izy,

08-sept-2023

no dia anaovana watawata be nefa antotan-taratasy firotsahan-kofidiana no naterina? Hatramin’ny 2019 izahay no efa niomana tamin’ny fifidianana sy hitondra ity firenena ity. Nindaosin’ny fahafatesana ny volana janoary moa ny filoham-boninahitry ny antoko sady nokasaina atao kandida filoham-pirenena, Itompokolahy Mamy Richard Radilofie. Niezaka nametraka ny fototray na “base” izahay ary tsy ny antoko no mamelona ny mpikambana fa ny mpikambana no mamelona ny antoko. Maro ireo avy any amin’ny antoko vaventy no lasa aty aminay noho ny fotokevitra napetrakay. Averinay ihany fa tsy feno ny fepetra tokony hanaovana fifidianana. Lalàna efa hita fa tsy nety hatramin’ny 2010 no mbola ampiharina. Izahay nangataka foana ny hoe fanovana rafitra. Rafitra mety amin’ny fiarahamonina malagasy, kolontsaina malagasy. Hery Tiana Guy La Chapelle no anaran’ny kandidanay. Na dia ny anarany fotsiny aza dia efa mazava be fa manana zom-pirenena miisa 2 izy ary ilay zom-pirenena iray nolovainy tamin’ny razambeny fa tsy mitovy ny an’ny filoham-pirenena ankehitriny. Manana zom-pirenena miisa 2 daholo ny ankamaroan’ireo kandida ireo. Mihazakazaka mitady zom-pirenena frantsay isika malagasy vao manamanam-bola. Ny tanjonay dia ny haneho hoe io izahay fa vonona handray anjara amin’ny fifidianana. Miisa 300 eo ny antoko eto. Tsy hay hoe haninona fotsiny. Ny vinanay dia hoe fotoana izao hanamboarana ny rafitra eto Madagasikara fa mila fanovana rafitra i Madagasikara, hoy hatrany ny antoko politika Natiora!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap