airtel

Politique

24-juil-2024

Antoko politika Natiora

«Governemanta volamena angamba ilay atsangana!»

Sample post image

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

24-juil-2024

ho an’ny fampandrosoana ny malagasy angamba ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra, hoy ny antoko politika Natiora. Raha izao fihetsiky ny mpitondra izao aloha, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho, dia tena hoe mizaha hoe iza ilay olona mahavita sy hampandroso aingana an’i Madagasikara? 100 andro moa no nampanantenaina tamin’ireo efa teo kanefa efa nihoatra ilay izy fa tsy 100 andro intsony. Mety mahay maka lesona angamba izy izao. Ilay minisitra volamena ho tadiavina satria ny sehatra rehetra izao tena tsy misy ho raisina na hoe «catastrophique», olana. Ny sosialy, ny asa vaventy, ny toekarena, ny varotra, ny tanora sy ny fanatanjahantena izay tena mampalahelo. Minisitra tsy mahay ilay asa ve fa tendritendrena fotsiny? Taiza isika no mbola nisy an’izany hoe hanao lalao olaimpika dia vitsy kely fotsiny ny olona mandeha? Ny filoham-pirenena mandeha. Raha mihoatra amin’ny vola andefasana ny filoham-pirenena ve no handefasana atleta tsy mba tsaratsara kokoa? Misy atleta mba azo antoka ihany ao fa hitondra medaly volamena. Olona tena mahalala ilay sehatra misy azy no tokony ho eo ary avela malalaka, hanontaniana hoe raha omena ity toerana ity ianao, vitanao ve? Inona no ho entinao? Ny fanendrena minisitra tsy hoe ilay minisitra no hitondra ny fahaiza-manaony fa omena baiko izy. Mpanatanteraka fotsiny hoe ity no ataonao. Ny olana dia olona tsy mpanatanteraka ny lany ao anaty governemanta fa mpanatanteraka ny tenin’ny filoham-pirenena no atao ao hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Gaga aho eto hoe hay ve mbola misy praiminisitra eto Madagasikara satria raha ny fahitako hatramin’izay dia tsy dia henoheno mihitsy ny praiminisitra fa ny filoham-pirenena, ny PAN, ny lehiben’ny antenimieran-doholona no henoheno. Inona izany no tena anjara andraikitr’ilay praiminisitra? Ny filoham-pirenena aza no tsy dia tokony ho hita matetika mihoatra ny lehiben’ny governemanta. Io tsinona no lehiben’ny mpanatanteraka. Inona izany no tena andrasana sy takiana amin’ireo mpikamban’ny governemanta? Mbola tsy nisy, raha tsy vao izao, ny hoe nofoanana ao amin’ny fitsipika anatin’ny antenimieram-pirenena ny maha antenimieram-pirenena azy ireo izay mpanara-maso ny asan’ny governemanta. Isaky ny avy mivory ny mpikamban’ny antenimieram-pirenena dia tokony manao tatitra any amin’ny vahoaka. Izay no lalàna! Ny navaozina voalohany tao anefa dia hoe tsy maintsy mbola mangataka alalana any amin’ny lehiben’ny distrika, ny distrika, ny prefektiora vao afaka manao izany tatitra izany. Ireo voatonona rehetra ireo anefa natao ho arahin’ny depiote maso. Manana ny tena andraikiny ve ny antenimieram-pirenena izay tokony hanendry ny lehiben’ny governemanta na praiminisitra? Izay tokoa ve no nitranga? Tokony ho afaka manome tolokevitra koa aza ireo depiote ireo hoe ireto no tsara atao minisitra satria ireo ho arahiny maso dia tokony ho governemanta misokatra no eo. Azo soloina isaky ny 3 volana ny minisitra rehefa hita fa tsy mamely na avy amin’ny fanoherana na fanohanana na avy aiza saingy governemanta volamena angamba ilay atsangana no ela fikenona, hoy hatrany ny antoko politika Natiora!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap