airtel

Politique

05-juin-2024

Antoko politika Natiora

«Mbola vao manomboka io»

Sample post image

Efa niteny ny antoko politika Natiora fa tsy maintsy korontana no hiafaran’ilay fifidianana,

05-juin-2024

hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho. Ny antony, rehefa nojerena ny zava-drehetra dia feno izany ary mbola namafisin-drizareo amin’izao fotoam-pifidianana izao, hoy izy. Tsy mahagaga ny antoko Natiora ny zava-misy satria efa hita taratra. Eo ny fahalemen’ny fitondrana. Te hanamafy ny toerany nefa izy. Ny fanehoan-kery dia enti-milaza fa malemy ny andaniny. Tsy niova ny CENI sy HCC. Tsy niova ny governora. Ny lehiben’ny distrika maromaro nosoloina. Midika ireo rehetra ireo fa feno ny fepetra nataony hahazoana fandresena. Ireny ny fandoroana. Tsy ny mpanao politika no mahatonga ireny fa ny vahoaka miaro ny safidiny. Mampitandrina moa izao ny mpitandro filaminana na Emmonat sady mampitahotra hoe izay mihetsika na mihoam-pefy eo dia hanao ny asanay izahay! Marina tokoa izany satria asan-drizareo izany! Tombontsoa ho an’iza nefa no hanaovana an’izany? Mahagaga moa fa etsy an-daniny ny mpanara-maso sy vondrona iraisampirenena dia milaza fa mizotra amin’ny ara-dalàna amin’ny ankapobeny ny fifidianana. Tsy arak’izay nefa ilay izy. Efa mahazatra io. Tsy mahagaga koa ny vondrona eoropeanina raha nanafoana ny fanampiana antsika. Mbola sahirana ny vondrona iraisampirenena. Na ny eoropeanina aza mbola sahirana amin’ny ady any Okrainina. Nandritry ny taona maro izay. Vao mainka koa moa fa nanankiana ny solontenan-drizareo teto ny mpitondra antsika ary nilaza mihitsy hoe mila miala eto ianao. Tsy mahagaga daholo izany na ny fikorontanana na ny zavatra may isan-karazany io. Mbola vao manomboka io. Nitavandra fanampiana avy any ivelany daholo ny fitondrana nifandimby rehetra teto Madagasikara. Alain-drizareo ny harenantsika dia any indray isika no mangataka aminy. Izay ilay averina foana hoe mila fanarenana sy fanorenana ifotony ity Madagasikara ity. Raha hiantso ny ao amin’ny fitondrana hoe andao hifampiresaka na hifandinika, izay mila fanetren-tena izany dinika hahasoa firenena izany, dia inoana nefa fa resaky ny moana sy marenina izany! Sarotra be mihitsy ny hifampiresaka na hidinika ambony latabatra eto Madagasikara satria efa samy nanana ny fotokeviny hijoroany, ny zavatra heritreretiny ho an’ity firenena ity. Jereo i Burkina Faso sy Mali fa nahavita! Ankalazaina eto foana ny fetim-pirenena nahazoana fahaleovantena. Antsoina indray ny malagasy rehetra fa tokony hiray hina nefa isika tsy nanana ny fiandrianam-pirenentsika. Fahaleovantena nomena fotsiny am-bava io fa tsy antsika. Firenena mahaleotena i Madagasikara saingy mijanona foana anaty vondrona frantsay, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap