ankehitriny mikasika ilay famosirana na «castration» mpanolana, hoy ny antoko politika Otrikafo, dia satria tsy nifampiresahana. Fara-faha ratsiny, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny, manana ireo parlemanta ireo isika. Tokony nandeha tany izany adihevitra izany. Misy ireo fiarahamonim-pirenena, raiamandreny ara-drazana, mpitan-kazomanga, tangalamena isan-karazana ireo. Zava-dehibe toy izany tokony mba nakan-kevitra ihany nialohan’ny nandraisana fanapahan-kevitra. Mila lalàna mafy tokoa ho ampiharina amin’ireo mpanolana saingy izay mafy izay no mila adihevitra mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra. Tsy maintsy jerena koa tsinona ny lafiny zon’olombelona satria indraindray somary manahirana koa ny adihevitra momba an’io noho ny olombelona tsirairay izay samy manana ny zony. Mahakasika ny hoe tsikeran’ny vondrona eoropeanina indray mikasika ny faharatsian’ny lalana nefa hoe betsaka ny vola efa novatsian-drizareo dia hoy aho hoe amin’ny maha Otrikafo anay dia tena misy fitsinjarana andraikitra tokony hipetraka ao. Na ho an’ny vondrona eoropeanina na ho an’ny mpitondra fanjakana. Ny vondrona eoropeanina koa dia mahafantatra tsara fa anatin’ny tetikasa toy ireny dia misy koa ilay kolontsainana 10% ho an’ny mpandresy lahatra. Tsy afa-miala amin’izany na ireo lazaina fa diplaomaty eto aza. Tsy andraikitry ny fanjakana irery raha tsy vita ny lalana fa eo koa ireo milaza azy ho mpamatsy vola ireo satria miray petsapetsa amin’ny resaka kolikoly amin’ilay mpitondra fanjakana malagasy. Averiko ihany fa misy ilay kolontsainana 10% ary mahazo tombony amin’izany ny mpanome ilay 10%. Potika ny lalana androany. Eo ny andraikitra lehibe ho an’ny mpitondra fanjakana malagasy fa tsy afa-miala koa ianareo mpamatsy vola satria vokatry ny resaka kolikoly tafahoatra eto no mahatonga ilay fahapotehan’ny lalana eto Madagasikara. Mandainga ny sehatra iraisampirenena raha milaza fa tsy mahafantatra ny fisian’izany resaka izany. Io olan’ny fifidianana io dia vokatry ny fahefana norombahana na nalaina tamin’ny fomba tsy madio. Izay no mahatonga an-dry zareo tsy mari-toerana amin’izao fotoana izao. Amin’izao hoe manenjika maro an’isa sy ny karazany, nampitomboina ny anto-bola. Rariny raha miheritreritra ny hangorina ny toerana rehetra ny fitondram-panjakana. Fantany nefa fa sarotra aminy ny hahatongavana amin’izany raha tsy miditra amin’ny lalao maloto indray toy ilay tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo izy. Eo no mahatonga anay miantso foana hoe asio fifampiresahana satria Madagasikara iombonana ity. Diso ny fitondram-panjakana raha mihevitra fa ny fahazoany parlemantera maro an’isa no hahamari-toerana azy eo amin’ny fitondrana. Ny ankamaroan’ny mpitondra nihevitra azy ho masi-mandidy teto dia saika sahirana foana rehefa niroso tamina fotoam-piasana faharoa toy izao. Nanakana an’andriamatoa Marc Ravalomanana tsy hiongana ve ny nahazoany 100% latsaka kely tamin’izy nitondra? Efa kenda ilay fitondrana ka na izy hiroso amin’ny fifampiresahana na hikiri-biby hanao fifidianana dia fantany ny zavatra hiandry azy ao aoriana ao, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
Nitohy ny 24 desambra iray andro nialohan’ny krismasy ny hetsiky ny vahoaka manohitra ny fitsimbadihan’ny
Sarintsarim-pitoniana politika no misy ankehitriny ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao fa tsy tena misy ilay « trêve politique».
Tsy ny mpisehatra politika ihany no manao fanambaràna izao, hoy ny Randrana sendikaly,
Fomba fiady politika nampiasaina tato ho ato indray ny fampiasana horonam-peo sy horonan-tsary atambatambatra
Tsy mankato sy tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny halatra sy hosoka izahay ary tsy maintsy hijoro",