airtel

Politique

05-sept-2023

Antoko politika Otrikafo

“Fomban’ny tsy manan-kevitra ny milaza fa matahotra ny mpanohitra”

Sample post image

Malaza ankehitriny ny fiantsoan’ireo kandida ny olompirenena tsy hanaiky ny filatsahan-kofidian’andriamatoa Andry Rajoelina

05-sept-2023

ho filoham-pirenena, hoy ny antoko politika Otrikafo tetsy Andravoahangy omaly. Mila averina kely ny tantara, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Elia Rabevahiny, fa ilay resaka “naturalisation” na fiofona ho frantsay ny taona 2014 no nahatonga ny resaka. Olompirenena tsotra tamin’izany Andriamatoa Andry Rajoelina. Misy fanenjehana tokony atao azy amin’ny maha olompirenena tsotra azy, noho izany. Fisandohana andraikitra izany no nataony nandritra izay 5 taona naha filohan’ny repoblika azy izay. Ny fanakanana azy tsy ho kandida dia midika ho fanekena azy tamin’ny fandraisany fahefana hosoka. Manaiky ny fanapahan-kevitra rehetra tao anaty tsy fanarahan-dalàna nandritry ny 5 taona. Ny fanambaran-kery tokony atao, noho izany, dia ny hoe ahoana no tokony atao hanesorana an’andriamatoa Andry Rajoelina tsy ho eo amin’io fahefana io? Ny tohiny dia hoe hahafahana manenjika azy araka ny lalàna koa. Misy lalàna voafaritra azo hanaovana izany. Olompirenena malagasy no resahantsika. Tsy sakanana ny fisian’ny fifidianana fa samy miaiky kosa ny rehetra hoe misy zavatra tokony alamina aloha dia tsy tokony ekena ny fikarakarana na fisandohana andraikitra indray amin’ny fikarakarana fifidianana. Tandindomin-doza ny fiandrianam-pirenena ary mandalo fotoan-tsarotra sy kihon-dalana isika ka tokony tsy hanao fahadisoana amin’ny fanapahan-kevitra mba hahafahana manavotra ny vahoaka malagasy sy mandamina izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Fomban’ny tsy manan-kevitra ny filazana fa matahotra an’andriamatoa Andry Rajoelina na fifidianana sy ny rehetra ny mpanohitra raha miteny an’izany satria tsy azo lavina ilay “naturalisation”. 6000 Ariary ve ny litatry ny solika izao? Izao firenena gisitra izao ve dia hatahorana an’ingahy Andry Rajoelina na hiheritreretana akory hoe ho lany izy? Tahotra ve hisy mihoatra ny hoe handeha ny fifidianana, ianao mbola mikitika lisitry ny mpifidy? Aza ahodinkodina ny resaka fa tsy resaka tahotra io fa mila ampiharina ny lalàna! Taiza no mbola nisy vary 1000 Ariary ny kapoaka? Tsy misy lalàna miteny mihitsy hoe mahazo milatsaka ny olona tsy malagasy, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap