airtel

Politique

20-mars-2025

Antoko politika Otrikafo

Hanafoana asa miisa 20.000 izany ny fitondràna…

Sample post image

Ny governoran’Analamanga no naneho hevitra fa mety amin’ny any atsimo ny tetikasa

20-mars-2025

Base Toliara, hoy ny filohan’ny antoko politika Otrikafo sady filoha lefitry ny fikambanana Masikoro Arivolahy, Elia Rabevahiny. Nambarany, hoy izy, fa mpanao politika zanaky ny faritra no manely tsaho amin’ny mponina hanohitra ilay tetikasa. Mpanao politika miisa 2 no noresahiny. Eo ny solombavambahoaka fa eo koa hoy ny governora ny mpanao politika zanaky ny faritra izay tsy lany tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna tao. Nolazainy koa fa ny vola hiditra amin’ny fitondràm-panjakàna hahafahany manao fampandrosoana no marary anay mpanohitra. Mbola tsy Base Toliara fa Toliara sand io no efa notoherin’ny Otrikafo. Tao anatin’ny fitondràna Rajaonarimampianina izany ary ny fanoherana tamin’izany no nahatonga ny fitondràna Rajoelina, nony tonga ny taona 2019, nampiato io tetikasa io. Niverenan-drizareo indray moa izany ny novambra 2024. Io misokatra io indray izy izao. Tsara mba ho fantatr’ingahy governora ihany izany tantara izany. Tsy hoe fankahalana sy tsy fitiavana fampandrosoana akory ilay izy, araka izany. Manohitra ny antoko Otrikafo fa eo koa ny fikambanana Masikoro izay maha filoha lefitra ahy dia manohitra ihany koa. Misy olompirenena tsotra ao anatin’ilay tetikasa koa manohitra. Manohitra koa ireo mponina voakasika mivantana sy ny fikambanana samihafa tahaka ny Zana-driake sy FIMA. Mahagaga ihany hoe governoran’Analamanga no sahy miteny fa mankasitraka ny tetikasan’ny fitondràna ny any atsimo. Tena fantatr’andriamatoa governoran’Analamanga tsara ve ilay toerana? Fantatrao ve izany distrikan’i Toliara II izany? Fantany ve izany Belalanda, Ankilimalinike, Antsahasia, izay voakasika mivantana amin’io resaka io? Aoka ilay izy tsy hatao fitiavan-tena sy fitiavam-bola tahaka izany fotsiny dia ny vahoaka malagasy no sorona. Tsy vitan’ny fitanisana vola io! Nitanisa vola i Ambatovy, QMM. Nitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara ve ireny ankoatran’ny fahapotehana nentiny? Milaza ingahy governora fa hampiakatra ny fari-piainan’ny mponina io. Tena azafady fa tsy hay hoe hatraiza no fahalalany ireny fitrandrahana vaventy ireny? Ohatra hoe miresaka Ambatovy sy QMM isika dia diso be izany zavatra resahiny aminao izany. Vao mainka io hamotika ny fiainan’ny mponina. Ny mitranga manodidina ireo orinasa ireo dia ny fidangan’ny vidim-piainana tsy zakan’ny mponina. Ireo vahiny nafarana hiasa ao no manam-bola sy mahazo tombony. Ahoana no hahafahanao milaza fa hampiakatra ny fari-piainan’ny mponina ilay izy nefa misy harenan’izy ireo tsy maintsy ho potika sy rava raha sanatria hirosoana ilay tetikasa? Ny mpikambana manana alalana hanarato ao amin’ny Zana-driake efa manodidina ny 20.000 ny isany. Hanafoana asa miisa 20.000 izany ny fitondràna dia ho aiza ireo tokantrano miisa 20.000 miantehitra amin’ireo mpiandriaka ireo? Ahoana ny fiakaran’ny vidim-piainana raha sanatria tanteraka izany, hoy hatrany ny antoko politika Otrikafo?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Tsiahivina, hoy ny antoko politika Teza, fa ny frantsay, ny vondrona eoropeanina,

Card image cap
26-mars-2025

Manamafy ny tsindry hamoahana an’i Paul Maillot Rafanoharana i Frantsa, amin’ny alalan’ny loholona Christophe-André Frassa,

Card image cap