airtel

Politique

03-juil-2024

Antoko politika Otrikafo

«Manana fahafahana hanangana kaompanian-tsolika antsika isika izao»

Sample post image

Isan’ny nanamarika ny 6 volana voalohan’ny governemantan’ny fitondrana

03-juil-2024

Andry Rajoelina sy praiminisitra Ntsay Christian ny fiakaran’ny vidin-tsolika indray, izay voaresaka moa izany hoe eo amin’ny 200 Ariary eo, hoy ny antoko politika Otrikafo. Tsara ny manamarika, hoy ny filohan’ity antoko ity, Elia Rabevahiny, fa vokatry ny fampindramam-bola tamin’ny alalan’ny antsoina hoe FEC na «Facilité élargie de crédit» izy io. Taty aoriana dia niampy indray ilay FED. Tamin’ny FEC nisy ilay 512 tapitrisa Euro avy amin’ny FMI izay nopotipotehin-drizareo ohatran’ny anana ny fanomezana azy fa tsy nomeny indray mandeha. Tao anatin’izay dia nipetraka mazava tsara fa misy fepetra maro dia ny hoe tsy azontsika omena famatsiana na «subvention» ny Air Madagascar. Toy izany koa ny JIRAMA. Tsy maintsy ampiharina ny vidiny tena marina na «vérité des prix» amin’ny resaka vidin-tsolika. Tamin’izany fotoana izany ny Otrikafo no efa nametraka hoe mamono ny firenena ny fanekena fepetra vokatry ny famatsiam-bola sahala amin’izany. Aleo mitady lalan-kafa. Raha miteny izany izahay tsy miresaka hoe tsara na ratsy ny resaka famatsiam-bola fa tsy tokony hanaiky mihitsy ny fitondram-panjakana hoe mpamatsy vola no hametraka fepetra sahala amin’izany. Nekena moa ilay izy dia miroso tsikelikely amin’ny fampiharana ilay vidiny tena izy izany isika izao. Alefany tsikelikely io. Voalaza hoe hiakatra 200 Ariary izy ato ho ato fa tsy tena io loatra no olana. Misy miteny tsinona hoe kely izany raha oharina amin’ny tena tokony hihatra saingy ny fiantraikan’izay 200 Ariary izay amin’ny kapoaka na vilanin’ny vahoaka malagasy no ho mafy be, indrindra, anatin’izao fahasahiranana izao. Ny mahavariana anay dia hoe aleon’ny fitondram-panjakana manaiky ny fepetran’ny FMI amin’ny fanekena ilay vidiny tena izy. Aleony koa izany manaiky ny fifanarahana maloto nifanaovana tamin’ireo kaompanian-tsolika miisa 4 ireo dia nisafidy ny hamono ny vahoaka malagasy ry zareo. Averinay foana nefa fa raha resaka solika dia manana vahaolana isika dia io menaka mavesatr’i Tsimiroro io. Inona no antony tsy ampiasana an’io? Tsy misy «investissement» na fampiasam-bola be manao ahoana tokony hataon’ny fanjakana amin’io nefa. Efa misy orinasa vonona hiasa eo dia ny Madagascar oil saingy ny fepetra kosa no heverin’ny Otrikafo fa mila apetraka tsara mba hahafahantsika mahazo tombondahiny amin’io. Efa misy orinasa maromaro eto Madagasikara koa mampiasa miafina io menaka io satria tsy eken’ny fitondram-panjakana ny fampiasana ilay izy satria tsy eken’ny mpamatsy vola ve? Manelingelina ny fifanarahana amin’ireo kaompanian-tsolika miisa 4 ve? Mametraka foana nefa izahay fa ny fampandrosoana firenena iray dia miainga amin’ny vahaolana ao anatiny. Sady io menak’i Tsimiroro tsy mijanona amin’ny resaka solika ihany fa misy ny atao hoe «procédé catalytique» azo ampiasaina dia ahazoantsika Kerozen io, hahazoana tara. Potika ny lalana manerana an’i Madagasikara izao dia isan’ny vahaolana amin’izany koa izany io. Ny olana dia ny mpitondra fanjakana sy mpanaradia azy ary manam-pahaizana sasantsasany no manabado ny malagasy hoe tsy haintsika ny manao izany fa tsy maintsy vahiny ihany. Ny finiavana politika nefa no tena tsy ananan’ny fitondram-panjakana. Tsy sahy mandray fanapahan-kevitra mivantana mikasika ny olan’ny solika eto ny fitondram-panjakana hampandrosoana ny toekarena. Raha tena miheritreritra fampandrosoana anefa isika dia tsy maintsy tokony am-pelan-tanan’i Madagasikara ny sehatra stratejika toy ny solika. Efa fadisoana ny namotehana ny SOLIMA. Tsy hiverina amin’ireny intsony isika fa manana fahafahana hanangana kaompanian-tsolika antsika isika izao hifaninanana amin’ireto kaompanian-tsolika miisa 4 ireo hamonjena ny toekarena fa maty ny toekarentsika raha manaiky ny hampiharana an-jambany io vidiny tena izy io, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap