fotsiny ianao na manana depiote eo aza raha tsy hoe maro an’isa, hoy ny antoko politika Teza. Ilay rafitra mihitsy, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Louis Rakotoamboa, no mikatona ka mila amboarina tanteraka. Mila manao fanorenana ifotony isika fa raha tsy izany dia anaran-tsy very toy ny vilian-tsahona fotsiny izany demokrasia izany eto Madagasikara. Maromaro, ohatra, ny asa tokony ataon’ny depiote. Nanao sy nahavita izany ve ireo depioten’ny mpanohitra hatramin’izay? Tsia satria tsy maro an’isa. Asan’ny depiote ny manao volavolan-dalàna atolotra ho laniana. Raha nisy angamba izany dia ny teo amin’ny fitondrana no nanolotra azy. Ny resaka filohan’ny fanoherana eo anivon’ny antenimieram-pirenena no mba tolo-dalàna lany taty anivon’ny fanoherana angamba. Asan’ny depiote ny manao tatitra amin’ny vahoaka momba ny zava-misy sy mihaino azy. Mila famoriana vahoaka nefa izany ka mba nisy nahazo alalana hanao izany ve? Tsia satria ilay hitsivolana na «ordonnance 060-82» dia milaza fa mila mangataka alalana amin’ny mpanatanteraka rehefa hamory vahoaka. Tsy nomena! Ny asan’ny depiote dia manao fanadihadiana parlemantera. Raha zavatra tsy mety eto amin’ny firenena, ohatra, ireny volamena 73,5kg very tany amin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany ireny izao tokony hanaovana fanadihadiana. Tsy afaka nanao izany ny depiote. Asan’ny depiote ny manakana na manao «empêchement» filohan’ny repoblika rehefa tsy mety ny ataony na olona tsy tokony ho filohan’ny repoblika izy no lasa filohan’ny repoblika. Tsy afaka nanao izany ny depiote hatramin’ny nisian’io repoblika faha 4 io. Andraikiny ny manao «motion de censure» na mitsipaka sy mandrava ny governemanta. Afaka nanao izany ve ny depiote taty amin’ny fanoherana? Tsia no valiny. Tokony hiampanga ireo mpitondra ambony nanao adalana ny depiote. Na ireo nanao risoriso izany na ireo nanao kolikoly, ireo nangalatra sy ny tariny tokony toriana amin’ny fitsaràna avo na HCJ saingy tsy afaka nanao izany ireo depiote. Rehefa tsy maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena ny depiote mpanohitra anatin’io rafitra io dia haingon-tsehatra fotsiny. Mila amboarina ny lalàna. Ny tokony ho izy amin’ny ankapobeny dia mila miova ny lalàmpanorenana. Ny lalàna fehizoro na «loi organique» mifehy ny antenimieram-pirenena mila miova. Tolokevitray ny hoe azo atao ny fanadihadiana parlemantera rehefa vondrona parlemantera iray no mangataka ho an’ny tombontsoam-pirenena. Tsy voafandrika ny mpanohitra saingy indraindray teren’ny zava-misy, indrindra, ny any amin’ny fototra mba hoe handray anjara fa raha tsy izany hitango lalitra fotsiny angamba. Mbola misy teboka be koa hoe azon’ny filohan’ny repoblika atao ny mandrava ny antenimieram-pirenena noho ny antony azony foronina. Sady lany vola ianao no lany fotoana no lany hery. Aim-bery maina ohatran’ny hiran’ny Katolika ny mandray anjara amin’io rafitra mikatona io, hoy hatrany ny antoko Teza.
J. Mirija
Nitohy ny 24 desambra iray andro nialohan’ny krismasy ny hetsiky ny vahoaka manohitra ny fitsimbadihan’ny
Sarintsarim-pitoniana politika no misy ankehitriny ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao fa tsy tena misy ilay « trêve politique».
Tsy ny mpisehatra politika ihany no manao fanambaràna izao, hoy ny Randrana sendikaly,
Fomba fiady politika nampiasaina tato ho ato indray ny fampiasana horonam-peo sy horonan-tsary atambatambatra
Tsy mankato sy tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny halatra sy hosoka izahay ary tsy maintsy hijoro",