airtel

Politique

26-mars-2025

Antoko politika Teza

«Efa dakadakan’ny olona izao ny frantsay!»

Sample post image

Tsiahivina, hoy ny antoko politika Teza, fa ny frantsay, ny vondrona eoropeanina,

26-mars-2025

ny tandrefana amin’ny ankapobeny amin’izao fotoana izao dia efa alohan’ny olona. Efa dakadakan’ny olona satria tamin’ny mbola nogiazan’ny tandrefana ny fitondràna izao tontolo izao dia ny nataon’ny dia nametraka babakoto na olona izay ho marionetiny, hiaro ny tombontsoany dia ny mba fanampiana ataony na sahala amin’izany dia tan-tsoroka fotsiny, hoy ny filohan’ity antoko ity, Jean Louis Rakotoamboa. Zavatra kely bitika tahaka ny hoe ankino amin’ny sehatra tsy miankina ny banky fa omena vola kely ohatran’izao ianareo dia tadiavin’ny frantsay ny banky rehetra eto amintsika, hoy izy. Omeo ny tsy miankina izao sy izao ka ny fiarahana amin’ireo tandrefana ireo, indrindra, ny frantsay dia tsy afaka mihitsy hampandroso antsika firenena mbola madinika, ataoko hoe mbola zanahana satria isika aza ny nosy manodidina mbola ireny nataon’i Macron hoe «Ici c’est la France!» dia lasa nidodododo tany ingahy Rajoelina nifona fa niteniteny foana hoe averina manontolo amintsika ireo nosy manodidina. Tsy misy na inona na inona mba azo ianteherana sy hampandrosoana firenena ny fiarahana amin’ny frantsay. Efa dakadakan’ny olona izao ny frantsay! Izahay Teza manokana aza dia mitaky ny ialàn’ny firenena amin’ny COI. Efa betsaka ny firenena afrikanina izao no miala amin’izany frankofonia izany. Fisainana fanandevozana, fanjanahana no hita ao anatin’izany fa tsy misy fampandrosoana mba azo akory. Jereo any amin’iny Sub-Sahel iny izao, Burkina Faso, Mali, Niger, Sénégal, Centrafrique, efa miditra koa i Tchad, efa mandroaka ny frantsay sy rafitra frantsay. Tokony hiala koa isika. Manainga ny vahoaka malagasy, raha ny Teza manokana hitondra sora-baventy hoe «Ici c’est Madagascar!». Tsy tokony ho aty amintsika akory no hanaovana izany frankofonia izany fa aleo any amin’izay mbola zanahan’ny frantsay. Tsy misy ilàna fiaraha-miasa amin’ny frantsay intsony. Zon’ny frantsay ny miaro ny tombontsoany fa ho antsika nefa tsy misy tombontsoa ho azo amin’ny fiaraha-miasa aminy mihitsy. Tan-tsoroka kely fotsiny no omeny. Ny Vondrona eoropeanina izao io mivaralila satria nanantena mbola hanjakazaka eran’izao tontolo izao dia io ny ady ao Okrainina, tsy hitany intsony izay atao satria manomboka tsy manaiky hanjakazakàn’ny rafitra tandrefana intsony izao tontolo izao. Fotoana izao tokony hanaovana fanorenana eto amintsika hijerena hoe inona no tena mety amintsika amin’ny resaka demokrasia? Demokrasia amboamboarin’ny tandrefana hety amin’ny tombontsoany no eto. Tsy misy na inona na inona azo antenaina amin’izao fa mila miova isika! Mila miala amin’ny frankofonia ohatran’ny namana afrikanina hafa rehetra. Miantso ny vahoaka malagasy izahay hitondra sora-baventy handroaka ny COI sy Frantsay fa aty Afrika sy Madagasikara tsy misy ilàna izany intsony. Raha ohatra te hifampiraharaha amintsika malagasy ny frantsay dia mila mijery zava-baovao mihitsy fa tsy manohy an’io fombany amin’izao fotoana io, hoy hatrany ny Antoko politika Teza.
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Manamafy ny tsindry hamoahana an’i Paul Maillot Rafanoharana i Frantsa, amin’ny alalan’ny loholona Christophe-André Frassa,

Card image cap