airtel

Politique

05-oct-2023

Antoko politika Teza

“Mihozongozona tanteraka aty Afrika ny Frantsay”

Sample post image

Efa manomboka tonga saina ny vahoaka malagasy, hoy ny antoko politika Teza,

05-oct-2023

ary ilaina ny hetsik’ireo kandida miisa 11 ireo mba hahafahana manambatra ny hery ary efa vita izany dingana iray izany izao. Ny ezaka atao amin’izay, hoy ny filohan’ny antoko, Jean Louis Rakotoamboa, sy ny lamina maro isan-karazany izao no tsy maintsy atao amin’izay mba hampahomby ny tolona atao. Tsotra, hoy izy, ny tolona atao. Manaisotra an’ingahy Andry Rajoelina sy ny forongony. Andry Rajoelina izay frantsay tsy hitondra intsony eto Madagasikara izao no resaka. Mametraka fitsipi-dalao tsara hanaovana fifidianana avy eo dia izay lany eo lolohavina an-tampon’ny loha. Tsy hisy hanaiky lembenana intsony amin’izao taona arivo fahatelo izao hoe mbola Frantsay indray no kandida eto amintsika. Hitondra ity firenena ity dia atao haingon-tsehatra ny sasany dia amin’izay fotoana izay hoe tena nisy demokrasia tao Madagasikara fa ingahy Andry Rajoelina ihany no mamim-bahoaka fa ny sisa mangidy hoditra daholo. Tsy azo ekena intsony izany! Vao manomboka io tolona io! Hiparitaka erak’i Madagasikara io ary tsy maintsy hiroso amin’izany atao hoe “désobéissance civile” na tsy fanekena hifidy kandida frantsay sy hampandany kandida frantsay izany. Efa mihozongozona tanteraka aty Afrika ny Frantsay sy ny forongony amin’ny firingam-pisainana ataony mbola te hanjanaka aty amin’ny alalan’ny fametrahana saribakoly na babakoto hitantana firenena iray! Manantena izy fa mbola ao ambadika miaro azy ny Frantsay ary marina tokoa izany satria raha ny tena izy, ny frantsay efa mahafantatra ilay fipetraky ny toe-draharaha eto. Rehefa manao zavatra tsy mety ny olompireneny na “ressortissant” dia tokony handray fepetra hampody an’io olompireneny io izy. Tsy manao izany nefa ny frantsay ary midika izany fa mbola manohana an’ingahy Andry Rajoelina izy. Tsy maintsy akifika eto Madagasikara ny firingam-piheveran’ny frantsay. Tsy ny vahoaka frantsay no ratsy fa ny fomba sy ny an’ny tandrefana izay mbola mitsabatsabaka amin’ny fiainam-pirenentsika no efa alohan’ny olona, hoy hatrany ny Teza.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

10-oct-2024

Hitafa amin'ny vahoaka malagasy tsy ho ela ny filoha Rajoelina hitondra vahaolana amin'ireo

Card image cap
10-oct-2024

Ny fanaovana politika dia tena mila kajy, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary.

Card image cap
10-oct-2024

Azo lazaina ho fisehoana politika voalohany ho an’i Tojo Ravalomanana, kandida atolotry ny TIM eto Antananarivo,

Card image cap
10-oct-2024

Omaly alarobia 9 oktobra no natao teny amin’ireo OVEC nanerana ny nosy ny antsapaka momba ny

Card image cap
09-oct-2024

Mety hoe leo politika ny Malagasy matoa ambany foana ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy

Card image cap
09-oct-2024

Mba misy ihany eto Madagasikara ny olona manam-pahaizana, manam-pahalalana,

Card image cap