airtel

Politique

17-juil-2024

Antoko politika Teza

«Ny fametrahan’ny frantsay babakotony eto no miteraka tsy fitoniana»

Sample post image

Fantatrareo fa tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana ny antoko politika Teza,

17-juil-2024

hoy ny filohany, Rakotoamboa Jean Louis, satria rafitra voageja ny rafi-pifidianana misy eto. Rafitra tandrefana io, hoy izy, izany hoe ny frantsay no tena manana tombontsoa aminy. Izy no mametraka ny olony eto mba ho marionetiny eto na babakotony eto Madagasikara. Andry Rajoelina dia kandidan’ny frantsay nataony hiaro ny tombontsoany satria efa nanasonia ny «charte de droit et de devoir» na sata momba ny lalàna sy adidy izay nahazoany iny fiofoana na «naturalisation» iny. Nomen’ny vondrona eoropeanina famatsiam-bola ny fanjakana hikarakara fifidianana mampetimpety azy. Nomena vola kely koa ny aty amin’ny fiarahamonim-pirenena tsy hanara-maso hatramin’ny farany aty ifotony fa hoe eo amin’ny fokontany miisa 4000 eo no natao ho vitany mba hanaporofoana fa misy mpanara-maso izany. Ampirisihina avy eo ny aty amin’ny fanoherana handray anjara fa ho haingon-tsehatra ara-demokratika dia nandeha iny fifidianana iny. Nahazo maro an’isa ingahy Andry Rajoelina. Nanampy izany ireo tsy miankina miisa 45, izay avy amin’i Ntsay Christian sy MR. Ny mpanohitra 21 no avy amin’ny Firaisankina. 16 anatin’izany no an’ny TIM dia mahazo kely 1 na 2 ny aty amin’ny Kolektifa dia izay no firafiny. Ohatran’ny hoe tena demokratika be fa dia ingahy Andry Rajoelina sy ny forongony ihany no mamim-bahoaka fa ny sisa mangidy hoditra. Atao fitaovana fotsiny entina hampihaingoana ilay demokrasia hoe tena nisy demokrasia. Tsy mahavita na inona na inona ireo mpanohitra ireo. Tsy afaka ny hanao tolo-dalàna ka hoe ho lany. Tsy afaka hanao fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra fa dia hinanaka sy hidongy fotsiny dia izay. Izay rafitra rehetra izay ve no mety ho an’ny firenentsika? Tena mivoaka ao anatin’izay ve ny safidim-bahoaka? Tsia no valiny. Izay no mahatonga ny Teza milaza hoe mila manao fanorenana ifotony isika. Amboarina amin’ny mampety azy tsara ny demokrasia eto Madagasikara. Isany ny lalàm-pifidianana. Ny fokontany no manao ny lisi-pifidianana isan-trano dia avy eo amin’ny alalan’ny fivoriambem-pokonolona no hamakiana azy am-pahibemaso hoe ireto no mpifidy eto amintsika. Hitan’ny olona amin’izay hoe ranona iry efa nigadra. Ranona izany tsy misy ao amin’ireto olona ireto. Madio tsara amin’izay ny lisi-pifidianana. Iny no hanaovana fifidianana ao dia dika mitovy sisa omena izay mila azy hatraty amin’ny rafitra ambony. Raha isaky ny fokontany no hanendren’ny fokonolona olona miisa 5 hanao komity fanaraha-maso, manao koa ny fiangonana, manara-maso fifidianana manerana an’i Madagasikara ireo fa tonga dia henika i Madagasikara fa tsy fokontany miisa 4000 fotsiny. Omena fahefana afaka manao firaketana an-tsoratra azo alefa any amin’ny tribonaly misahana fifidianana izy rehefa mahita tsy mety. Atao ny fanadihadiana dia izay manao adisoana migadra 6 volana na 1 taona an-tranomaizina. Omena firaketana an-tsoratra na PV daholo ny rafitra rehetra. Izay nanao ny tsy mety voaporofon’ny fanadihadiana tonga dia 1 na 2 taona an-tranomaizina. Miteraka fitoniana izany. Izay resy omena fahafahana manomana ny manaraka indray fa tsy bahanan’ny hitsivolana 60-082 amin’ny hoe mila maka alalana. Mila alamina izany rehetra izany mba tsy ahafahan’ny frantsay mametraka ny babakotony eto fa ny fametrahan’ny frantsay babakotony eto no miteraka tsy fitoniana, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap