airtel

Politique

03-oct-2024

Antoko politika Teza

«Tsy afa-bela isika raha tsy io mpitondra io no miova!»

Sample post image

Krizy ary an-dalàm-piovana somary an-terisetra mankany amin’ny antsoina hoe «multipolaire»

03-oct-2024

na fifanarahana marozotra amin’izao fotoana izao izao tontolo izao, hoy ny antoko politika Teza. Taorian’ny naha rava ny firaisana sovietika, hoy ny filohan’ity antoko ity, Jean Louis Rakotoamboa, dia fanatontoloana tokan-jotra na «unipolaire» no natao. Fahafaha-mamokatra teo ambany fifehezan’ny tandrefana no natao tamin’ny alalan’ny G7, izay manankarena nefa be trosa indrindra eto ambonin’ny tany, hoy izy. Izany no nanerena ny firenena madinika hanompo azy ara-toekarena raha tsotsorina. Fitaovana ampiasain-drizareo fotsiny ny banky iraisampirenena sy FMI hamoretana ireo firenena rehetra eto ambonin’ny tany hanaraka ilay fomba famokarany sy ilay jadona mikasika ny toekarena, indrindra, varotra iraisampirenena, arak’izay ilan-drizareo azy. Resaka vidiny tena izy na «vérité de prix» izany resaka fotsiny. Ny tena marina dia an-drizareo daholo ny orinasa mikasika ny solika eto amintsika. An’ny karàna indo-pakistanais sy frantsay. Ny néerlandais moa manana ny Shell , izay haingon-tsehatra fotsiny. Krizy ry zareo amin’izao fotoana izao any ivelany any satria nanantena hanao fairano ny rosianina kanjo nivadika any aminy indray ilay izy. Lasa niakatra ny vidin-tsolika any aminy dia mba hanarenany ny toekareny mitotongana amin’izao fotoana izao dia terena ilay firenena madinika hanao «vérité de prix» dia izy no mampiakatra ny vidin-tsolika any aminy dia tsy maintsy ampiakarina manaraka an’iny ny solika aty amintsika satria ny kaompaniany dia tsy maintsy natao hahazo tombom-barotra. Efa tokony miditra any amin’ny BRICS isika izao. Miditra any daholo izao ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao, ankoatran’ny G7, satria any no misy fifampivarotana mba azo ifampiraharahana kokoa. Tsy mifampitsetsitra be loatra ary indrindra eo amin’ny fampiasana ny vola. Vola Dolara sy Euro no nampiasaina hatramin’izay amin’ny fifampivarotana maneran-tany. Miala tsikelikely amin’ny Dolara amin’izao fotoana izao ny olona. Isany i Arabia Saodita, Rosia, Sina sy ny maro hafa izay tsy mampiasa Dolara intsony dia tsy tratran’ny famaizana amin’ny Dolara intsony fa ny eto amintsika mbola miankina amin’ny Dolara. Ireo mpandraharaha eto amintsika ny ankamaroany, satria mbola misy ilay MID na «Marché interbancaire de devise» eto, dia mampiasa Dolara. Ireo banky ireo no manamboamboatra ny tahabola na «taux de change» arakarak’izay mampety azy. Banky frantsay sy avy any ivelany nefa ny ankamaroan’ireo. Amboamboariny ilay tahabola mba hitotonganan’ilay vola gasy dia lasa vidiana lafo amin’izay fotoana izay ireo vola ataontsika hoe devizy. Ireo nefa no hividianantsika solika any ivelany dia manjary lasa mividy solika lafo isika. Tsy afa-bela isika raha tsy io mpitondra io no miova! Aza adino fa fitaovan’ny frantsay, hiaro ny tombontsoan’ny frantsay no hitazoman’ny frantsay an’i Andry Rajoelina eo! Ny mpanohitra atosiky ny eoropeanina, izay frantsay ny ao ambadika, hoe midira ao anatin’ny fifidianana isan-karazany mba ho haingon-tsehatra ara-demokratika hilazàna fa mandeha ny demokrasia eto Madagasikara. Fitondrana miaro ny tombontsoa frantsay sy manao didy jadona amin’izany anefa no misy eto, hoy hatrany ny antoko politika Teza.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap