solombavambahoaka hisolo tena azy isaky ny distrika tsirairay avy, hoy ny Antso vahoaka masi-mandidy. Nisy safidim-bahoaka tao, hoy ny birao maharitra eo anivon’izy ireo, Nantenaina Rakotonirina. Tsy azontsika adinoina fa nisy koa ireo fitoriana maro nolavin’ny fitsaràna ny ankamaroany. Mijanona eo izany iny resaka iny rehefa nanapaka ny fitsaràna hoe tsy mitombina na tsy azo raisina ilay fitoriana. Tsy tokony hitavozavoza ao amin’io antenimieram-pirenena io ny mpanohitra fa tokony hanolotra volavolan-dalàna avy hatrany hanitsiana an’io lalàm-pifidianana hita fa maha be resaka isaky ny mandeha ary tokony hanolotra volavolana fanatsarana na fanavaozana mihitsy aza amin’io lalàm-pifidianana io satria hiatrika fifidianana ben’ny tanàna isika amin’ny novambra. Hiatrika fivoriambe ry zareo mialohan’izay. Mbola azo tanterahina izany. Azo atao tsara. Asan’ny mpanohitra izany. Tsy ny mpanohitra ihany fa ho an’izay rehetra nitabataba na taty anivon’ny fanohanana fitondrana koa aza tsinona niaiky fa nisy ny hala-bato. Nitory koa ireo. Ny dikan’izay dia azo angalarana ilay fifidianana. Tokony hisy, noho izany, ny lalàna hanenana na hahatonga ny olona tsy ho sahy hangalatra intsony mihitsy. Lasa manano-sarotra ny mitory mahakasika hala-pifidianana ao anatin’io lalàna io satria vitsivitsy ihany ny sazy mahazo kandida rehefa tratra manao tsy mety. Tokony hisy fanintsiana ary tokony ho mafimafy kokoa ny sazy ho an’izay mandika lalàm-pifidianana. Miha marefo ny antoko raha mitaha amin’ny mahaleotena. Lasa tsy dia inoan’ny vahoaka teny firy ny vondron’antoko na antoko noho ny zava-misy iainana ankehitriny. Tsy maintsy antoko nefa no mitondra firenena fa tsy misy tsy miankina mitondra firenena izany. Iny izao fa nofitahany sahady ny vahoaka. Nilaza fa mahaleotena izy teo. Izao efa miaraka amina antoko. Fantatr’izy ireo tsara tsinona fa raha ry zareo amin’ny maha tsy miankina azy dia tsy hahavita hitarika fiovana eto amin’ny firenena fa mivondrona amina antoko na vondron’antoko izy, hoy hatrany ny Antso vahoaka masi-mandidy.
J. Mirija
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…