airtel

Politique

19-juin-2024

ARFM-Miantso vahoaka hilanja sora-baventy ny 26 jona

«Azo haongana ny mpitondra tsy manaja Firenena»

Sample post image

Mangataka ny fametraham-pialan’ny fialan’Atoa Andry Rajoelina tsy Filoham-pirenena Andry Rajoelina,

19-juin-2024

atsahatra amin’ny asany manontolo ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4, ampodiana ny diplaomasia Frantsay, atomboka ny 26 jona ny fiarovana ny vahoaka sy ny firenena sy ny fanavotan-tanindrazana ary ny fandraisana an-tanana ny firenena sy ny fampiraisana hina ny vahoaka Malagasy amin’ny firenena. Atsangana ny tetezamita handio sy handamina ary hanomana ny fananganana ny Fanjakana Malagasy vaovao atsangan’ny Malagasy masi-mandidy amin’ny tanindrazanana,… Ireo no navoitran’ny Antenimieran’ny Raiamandreny Foko Malagasy na ARFM tarihin’ny Filohany Atoa Rakotondrasoa Noel omaly manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Manainga ny firohotan’ny Malagasy ho tonga maro eny Mahamasina ny 26 jona izao ny ARFM, izay milaza fa fotoana hanavotana an’i Madagasikara eo anatrehan’ny endri-panjanahana misy izy ireo izay milaza fa 64 taona ihany koa izao no nisian’ny fahefana mamoritra sy mangeja ny vahoaka Malagasy. Tsy mbola tena nahazo fahaleovantena fa mbola nisy sy mitohy ny teti-panjanahana vaovao izay vondrona miafina natao hifehezana izao tontolo izao amin’ny alalan’ny basy sy ny vola no ao ambadika. Io no endrika miseho eto, ka io rafitra io no tsy ankasitrahan’ny ARFM, raha ny nambaran’izy ireo. Miantso tsy hanekena intsony ny fanaovana sorona ny firenena amin’ny rediredy politika izy ireo, ary mitaona ny vahoaka hanao hetsika eny Mahamasina amin’io 26 jona io. Tsy hiditra ao amin’ny kianjan’ny Barea hanaovana lanonana ofisialy, fa hanemitra eny amin’ny arabe, tsy misy fanelingelenana ireo hiditra ao anatin’ny lanonana ary tsy hanelingelina ny fifamoivoizana. Hanaporofo eo anatrehan’izao tontolo izao ho fantatr’i Lafrantsa sy ny fitondrana, fa efa niova tanteraka ny Malagasy ka tsy azo hambaniana sy habadoina intsony, fa vonona tanteraka handray ny firenena amin’izao. Manamafy ny ARFM fa fotoana hampahafantarana ny tena hevi-bahoaka sy hanaporofoana fa an’ny Malagasy i Madagasikara, ka izy no tompon’ny fanapahan-kevitra. Manentana ny vahoaka hitondra sora-baventy mitaky ny fialan’ny filoham-pirenena ankehitriny noho izany ny ARFM, ka atomboka amin’io 26 jona io ihany koa ny fitakiana ny fampodiana ny diplaomasia. Nentanin’izy ireo manokana ny Boriborintany 6 eto Antananarivo hifanohana ny amin’izany, eny fa na ireo avy amin’ny distrika manodidina toa an’Avaradrano sy Atsimondrano aza. Miantso ny vahoaka hifanohana sy hifanentana ho tong amaro haneho firaisankina. « Aoka tsy hisy handika ny fiarovana sy fanavotam-pirenena ho fanonganam-panjakana fa izay no tanjon’ny tolo-panafahana 1947 », hoy Atoa Noel Rakotondrasoa namaky ny fanambarana.Miantso ny Malagasy rehetra eny fa hatramin’ireo diaspora hifanohana amin’izany izy ireo.
AZO ATAO NY MANONGANA NY MPITONDRA REHEFA…
Mila manaja sy tia firenena ny mpitondra sy ny filoha, manaja sy tia fanjakana ilay filoha, manaja sy tia vahoaka. Tsy mila manao fambotriana firenena sy mihinam-bahoaka, tsy manao fitondrana mavo miavona sy tsy refesi-mandidy. Rehefa ireo no mitoetra dia azo atao ny manongana mpitondra firenena, hoy ny ARFM. Tokony hampidirina ao anatin’ny Fanjakana vaovao izay hatsangana izany mba ho fitondrana manana tahotra no mitondra eto fa tsy fitondrana manao izay tiany hatao. Nilaza anefa izy ireo, fa tsy fanonganam-panjakana no ataony fa fanongotana ny firenena ho afaka ao anatin’ny valan’ny fanjanahantany sy ny rafitra framasonika mangeja ny firenena, ka mba ny Malagasy amin’izay no hametraka ny rafitra sy hitantana ny firenena, fa tsy sahala amin’izao izay sarintsarina Malagasy no mitondra, i Lafrantsa no tompony, filoham-pirenena manana filoham-pirenena no mitondraka tsy mendrika ny hasin’ny firenena sy tsy mendrika ny firenena. Betsaka ny Malagasy afaka mitondra an’i Madagasikara, hoy ny ARFM. Ny 22 febroary dia nosamborina teny Mahamasina ny Filohan’ny ARFM rehefa niantso vahoaka ho tonga teny ka hanao ahoana indray amin’ity ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap