airtel

Politique

04-déc-2023

Be loatra ireo fampanantenana hatrizay

Mila manova fomba fiasa raha te handresy fahantrana

Sample post image

Tsy hita popoka ny momba ilay hoe lalana 85 km amin’ny autoroute Antananarivo Toamasina

04-déc-2023

vita mialohan’ny faran’ny taona 2023. Io mbola misy ampahany mamotaka be ka manahirana amin’ny fifamoivoizana ion y lalam-pirenena faha 13, ilay nilazana tamin’ny 2020 hoe tsy hanao politika intsony aho raha tsy vita ny RN13. Tsy hay hoe lasa aiza ny orinasa isany GasyCar sy Pharmalagasy. Mbola iaraha-miaina hatramin’izao ny delestazy kanefa ny fampanantenana tamin’ny propagandy 2018 dia hoe ampiana 400MW ny vokatra herinaratra eto. Efa tena maro ireo fampanentanana poakaty, dia mbola ho avy indray izany ny manaraka.

FANABADOANA
Efa azo sary an-tsaina ihany ny ho tohin’ilay hazakazaka arahin-tosika namoaka vali-pifidianana sy nanenjika fivoriana any Dubai…hiresaka sy hangata-bola amin’ny mpiara-miombon’antoka. Io koa anefa dia efa nanaovana vava be hoe : tsy handroso mihitsy i Madagasikara ato anatin’ny 30 , 40, 50 taona raha hiandry ireo mpamatsy vola mahazatra. Ny resaka hoe fitakiana ny « Iles Eparses » moa dia efa tahaka ny hoe tantara fahiny sisa. Ny tiana hahatongavana dia , misy fanabadoana manarapenitra atao amin’ny Malagasy eto, ary indrisy fa tena araraotina ny fahasahiranana sy ny tsy fahampiana fahalalan’ireo mpiray tanindrazana. Vitsy ny olona afaka mamakafaka sy mandinika ary tsy miroboka ao anatin’ilay valaben’ny fandrendrehana ara-tsaina. Maro be ireo mitazana fotsiny, na manara-drenirano hoe efa io no eo fa aleo miomana amin’ny fotoam-pifidianana manaraka ee..efa niteny an’izany foana anefa tamin’ny 2014 sy 2018, ka fanintelony izany ity. Tsy sanatria maniry ratsy fa dia mbola hitombo indray izany ny fahasahiranan’i Madagasikara satria ny mpitantana efa nampihemotra ny toekarem-pirenena ihany no mbola tafaverina eo amin’izao fotoana.

MILA MANOVA FOMBA FIASA
Tsy misy fahagagana amin’ny fampandrosoana firenena sy ady amin’ny fahantrana fa tena vina arahana fandaharanasa mipetrapetraka tsara. Fantatra mazava hoe inona no atao, rahoviana no hanaovana azy ary avy aiza ny vola hanatanterahana azy. Tsy haharesy fahantrana izany mihitsy raha mbola ny fomba fiasa tsy nahomby natao hatrizay no ampiharina, tena ilaina ny fanampiana sy fijerena ny lafiny sosialy fa efa tokony ho hita taratra tany anaty propagandy ny paikady hanaovana izany fa tsy hoe izao vao hodinihana. Inona no atao hampitomboana ny vokatra ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana (enim-bola ka hatramin’ny roa taona) ; ahoana no hametrahana fandriampahalemana . Ahoana no hamoronana asa (fananganana ozinina mahavita mampiasa olona 5000 ka hatramin’ny 10 000 amina toerana maro) ; inona no paikady hampitomboana ny isan’ny mpizahantany tonga eto ( 2 tapitrisa isan-taona) ; ahoana no hanamboarana ny lalana rehetra manerana ny nosy , vita ao anatin’ny 4 taona ny lalam-pirenena rehetra. Izany no atao hoe miasa fa raha hoe mbola hizarazara sakafo sy koveta, dia ho lany eto indray ny 5 taona fa hitombo ihany ny isan’ny mahantra. Asa mivaingana no ilaina fa tsy kabary mampanantena.
RTT

 

Dans la même rubrique

02-janv-2025

Raha kabary sy fampanantenana aloha no atao maridrefy dia tena "champion" na tompon-daka

Card image cap
02-janv-2025

Nirary soa ny mpiray tanindrazana amin'izao taona vaovao 2025 izao i Tahina Razafinjoelina ,filoha nasionalin'ny Tia Tanindrazana,

Card image cap
02-janv-2025

Madagasikara no mandroso raha mandry fahizay ny tany, hoy i Zaza Ramandimbiarison raha naneho hevitra sy nizara ny fomba

Card image cap
02-janv-2025

Tsy mbola nisy fifidianana nandeha amin’izay laoniny fa dia fifidianana tsy tomombana hatrany aloha izany no

Card image cap
30-déc-2024

Nanamafy ireo tsy fetezan-javatra samihafa mikasika ny fifidianana ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera

Card image cap
30-déc-2024

Azo ambara hoe feno izany izay ny ankamaroan’ny an-tanan-tohatra ilàna fifidianana,

Card image cap