nivoaka ny sary avy amin’io mpandrahara io maneho ny fiarahany tamin’ny filoha mianankavy tany Nosy Be Hell Ville. Mpandraharaha mpanefoefo avy any Dubai, nanangana ny fotodrafitrasa malaza toy ny Burj Khalifa, Dubaï Mall sy ny Dubai Marina i Mohamed Alabbar. Mpampiasa vola amin’ny tontolon’ny fandraisam-bahiny avo lenta. Ny seraseram-panjakana no efa naneho fa hiara-hiasa amin’ny fananganana toerana fandraisam-bahiny sy ny fampiroboroboana ny fizahantany, ny fanamboarana lalana, ny fampivoarana ny sehatry ny angovo ary ny indostria mpanodina vokatra na ny "agro-alimentaire",... Na izany aza, mampanahy ny fihetsiky ny fitondrana eo anatrehan’io, toy ny tamin’ny raharaha fampidirana ny sidin’ny Emirates izay ny zanaky ny Filoha no voalaza fa nifampiraharaha ka sao lasa raharaha sy bizim-pianankaviana ihany koa ity resaka fiaraha-miasa amin’i Mohamed Alabbar ity. Mandeha ny resaka fa nisy ny fitsidihana ny nosy Mitsio eo anelanelan’i Nosy Be Hell sy Antsiranana tamin’io dian’ny filoha mianakavy sy Mohamed Alabbar io. Ity Nosy ity izay 12km ny halavany ary 3km ny sakany izany, manana velarana 36km2 na 3600Ha. Misy resaka miely any an-toerana fa hisy ny fanomezana tany 2000Ha any amin’ity Nosy paradisakely ity, fa hananganana hotely kintana 5, hovakiana làlana, hasiana seranam-piaramanidina,… Miahiahy ireo mponina fa hisy ny fandroahana azy ireo, ary tahaka izany ihany koa ny mpiaro ny tontolo iainana. Ny volana martsa sy aogositra no efa nisy angidimby nisiditsidina tao amin’ity Nosy ity raha ny fanamarihan’ny mponina. Misy ihany koa moa no milaza fa efa tany amin'ny taona 2022 no nisy ny antso tolo-bidy na "appel d'offres" nataon'ny fitondràna malagasy mikasika io tetikasa io, ka nampanantenana fa tsy maintsy ho raisin’ny mpampiasa vola ao anatin’ny tetikasa ny filan’ny mponina. Mampiahiahy ity resaka ity hoe : homena ampiasain’ny arabo mba tsy hilazana fa homena azy izany ny ampahan’ny Nosy Mitsio ka hahilika ny mponina ? Inona no tambin’ny fanomezana tany an’arivony hekitara an’io vahiny io raha ho tonga amin’izany tokoa ? Fifandrifian-javatra ve ny nandraisan’ny Fanjakana fanapahan-kevitra vao volana vitsy izay fa foanana ireo fangatahana tanim-panjakana natao talohan’ny 31 Desambra 2010 ary tsy maintsy havaozina sa misy ifandraisany amin’itony ? Raha hampifandraisana kely amin’ny politika, moa tsy ny fanomezana tany hampiasain’ny Kaoreanina tamin’ny tetikasa fambolena katsaka ve no isan’ny nanonganana an’ingahy Ravalomanana tamin’ny 2009 ? Andrasana ny mangarahara avy amin’ny Fanjakana eo anatrehan’ity raharaha Nosy Mitsio ity satria betsaka ny ahiahy. Ahiana ny mety ho fifangaroan’ny bizina sy ny fitantanan-draharaham-panjakana ary betsaka aza ny mametra-panontaniana hoe : sao sanatria tena araraotina ny fotoam-piasana farany hitondrana ny Firenena hanaovana fifanarahana sy bizina avo lenta mamatotra ny firenena amin’ny vahiny na famarotan-tanindrazana ankolaka ?
Toky R
Tsy maintsy miteny ny tena, hoy ny fanehoan-kevitry ny pastera Roger Randriamisata satria
Nihazakazaka ny fanenjehana samihafa ny kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo Tahina Razafinjoelina vao
Lany ho Filohan'ny Vaomiera manokana misahana ny fiampangana manoloana ny Fitsarana Avo na ny HCJ
Mila fanahin’olona matotra, azo itokisana tsara ny fanaovana politika, hoy ny antoko politika FLN na Front de libération nationale.
Teny amin’ny boriboritany faha 4 dia Ankaditoho, Tsimbazaza, Anosibe androany alatsinainy 2 desambra 2024 ny kandida Tahina Razafinjoelina.
Mijoro hampitambatra ny mponina ao Alasora, distrikan’Avaradrano Ravolarimanana Joa Kim.