airtel

Politique

17-juil-2024

Christian Tabera

«Didy jadona no manjaka» Aoka isika hiverina amin’ny fanarahan-dalàna,

Sample post image

hoy ny filohan’ny Tanora Kintan’i Madagasikara,

17-juil-2024

Christian Tabera, fa tsy mampandroso ny tsy ara-dalàna! Izao izao isika, hoy izy, anaty tetezamita ny ben’ny tanàna ary na ilay datin’ny 6 novambra hoe hanaovana fifidianana aza heno fa misy mikasa hanemotra indray. Tsy misy izany «majorité absolue» na maro an’isa tsy azo hozongozonina izany fa ny tena marina aza dia ny Firaisankina manana depiote miisa 22 ao amin’ny antenimieram-pirenena no manana izany satria rehefa jerena ny distrika na toerana naha lany an’ireo dia be mpifidy kokoa. Raha maro an’isa tsy mitondra fotokevitra hanatsaràna zavatra dia tsy maro an’isa izany amiko. Atokisana ireo depiote 24 sy ireo tsy miankina vitsivitsy hanampy azy ireo. Hisaorana ireo tsy miankina tsy niditra hiaradia amin’ny fitondrana. Voalazan’ny lalàna fa tsy azon’ny depiote atao ny mifanatrika mivantana amin’ny filohan’ny repoblika. Amin’io depiote tsy mbola napetraka tamin’ny fomba ofisialy. Ny kabarin’ny filohan’ny repoblika dia kabary miandany. Tsy filohan’ny vahoaka malagasy izy izany fa filohan’ny IRMAR. Miantso ny filoham-pirenena mba tsy hanao kabary toy ireny fa tsy mampisy fitoniana na ara-toekarena na politika. Tsy manana olana amin’ny praiminisitra izahay fa ny fomba nametrahana azy no toherinay. Manao izay tiany moa izy ireo izao satria manam-basy ka ho hita eo ny fizotrany amin’ny fifidianana kaominaly. Voaporofo fa tsy manana olona ny fitondrana tamin’ny nanendrena ny praiminisitra fa eo koa ny tsindry satria io filoham-pirenena mamim-bahoaka io dia tsy misy izay tsy mahalala hoe misy mpandraharaha mamingana azy. Ny teo ihany no teo satria mbola tsy vita ny iraka na «mission» an’io praiminisitra io satria mbola hoavy ny fifidianana ben’ny tanàna. Mbola ao koa ny fifidianana loholona. Resaka fifidianana fotsiny izay aloha satria manana fahaiza-manao na «spécialiste» amin’ny fangalaram-bato sy fanomezana baiko ny fitantanan-draharaham-panjakana rehetra ny praiminisitra amin’izao amin’io resaka famadihana safidim-bahoaka io. Manentana ny vahoaka malagasy tsy hilavo lefona. Manao antsoavo amin’ireo mpiara-miombon’antoka koa aho eto hoe efa hitanareo izy io fa tsy manara-dalàna nefa tany tan-dalàna sy mampihatra demokrasia no natao ho vatsianareo. Aiza ny fanarahan-dalàna? Didy jadona no manjaka ary io mampitroatra vahoaka toy ny any Vangahindrano sy Maevantanana io, hoy hatrany ny tenany. Miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny antoko kosa, hoy izy, no hilatsahako ben’ny tanàna izany na tsia fa tsy araka ny feo mandeha akory. J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap