airtel

Politique

16-août-2024

Clémence Raharinirina, fifidianana

« Fanilihana ny tanora sy ny madinika ilay anto-bola midangana »

Sample post image

Fanilihana ireo tanora sy ireo madinika ho an-dRamatoa Clémence Raharinirina,

16-août-2024

mpanolontsaina eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra no antony nampiakarana ny vola alohan’ireo kandida Ben’ny tanana eto amintsika. Lazaina ombieny ombieny hoy izy fa ny tanora no ho avin’ny firenena nefa aiza no ahitan’ny tanora lela-vola 20 tapitrisa Ar hirotsahana hofidiana raha tsy hiresaka afa-tsy ny kaominina Antananarivo renivohitra sy Sainte Marie ary Nosy-Be izay ambara ho hors catégorie ? Raha kely anefa hoy izy ho an’ireo kandida efa fantatr’olona dia 100 tapitrisa Ar eo ho eo ny lela-vola ilaina raha mbola mihoatra lavitra noho izany ho an’ireo vao hiseho vahoaka sy hamolaka. Ny fifidianana Ben’ny tanana hotanterahina amin’ny datin’ny 11 Desambra io anefa no fifidianana manakaiky vahoaka indrindra eto amintsika saingy mampalahelo ny zava-misy. Notsiahiviny moa fa tsy mihoatra ny 1.800.000 Ar ny karaman’ny Ben’ny tanana iray eto amintsika miankina amin’ny kaominina tantanany. Tsy manana tombontsoa firy ihany koa izy ireny raha oharina amin’ny Solombavambahoaka nefa dia tena diso mihoampampana loatra ny vola alain’ny Fanjana aminy.
Pati
Legende : Izy no Raharinirina Clémence, mpanolontsaina eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap