hoy ny mpamakafaka politika Constant Raveloson, tamin’ny fahitalavitra iray omaly. Misy ohatra ny Sekreteram-panjakana amin’ny fanapariahana angovon’aratra any ambanivohitra, mpizara jiro, kanefa misy Minisitry ny angovo. Ity izany mpihinana aty amin’ny Jirama ohatran’ny fataon’ny hatrizay, hilentika ho fefika io Jirama io, olona efa nandrendrika ny Jirama no tao, ary fanta-poko fanta-pirenena amin’ny firobarobana sy fanaovana harena adala tompo, hoy izy. Tahaka izany ihany koa ny hoe : Sekreteram-panjakana hiady amin’ny fahantrana kanefa ny governemanta manontolo no tokony hiady amin’ny fahantrana. Ahoana izany ilay Minisiteran’ny mponina, fambolena, fiompiana, jono,… izay mila miady amin’ny fahantrana. Nahitsy ihany koa i Constant Raveloson nilaza, fa efa nohosena niaraka tamin’ny lalàmpanorenana ny depiote sy ny antenimierampirenena tamin’ny fitsipaham-pitokisana, kanefa dia ireo indray no nantsoina hoe : ianareo depiote izay mbola miaraka amiko avy aty mandady amin’i Ntsay Christian, manotrona azy hotendrena ho Praiminisitra. Notsiahiviny ilay hoe : hampandany depiote maro no isan’ny iraka hampanaovina an’Atoa Ntsay Christian, ka nilazany fa tsy vitan’ny ho mpananga-tànana fotsiny, fa ity dia tena ho Fanjakan’olon-tokana na fanjakan’izy roalahy kanefa ny ombalahy tsy iray am-bala, ka mandidy dia omana, ary ny depiote ampandadizina. Efa tsy repoblika intsony nanomboka tamin’iny fifidianana filoha farany teo, tsy safidim-bahoaka intsony, ary tsy teneranam-bahoaka intsony no misy eto amin’ny firenena fa efa atao zinona ny antenimieram-pirenena, hoy hatrany i Constant Raveloson. Mikasika ny fianianana nampanaovina ireo minisitra fa manaiky hohenjehina amin’ny lalàna raha tratra manao kolikoly, ary mametra-pialana rehefa tsy mahatratra ny tanjona, dia nametra-panontaniana ny tenany hoe : fianianana inona ary rehefa tsy manaiky ve izany dia tsy azo henjehina ? Ny hatramin’izay tsy matimanota fa ity sitrapony vao azo henjehina ? Ampafirin’ny kolikoly nisy hatrizay no mety mbola ho avy eo ary sitrapon’ilay tratra vao ho azo henjehina ? Aminy, toy ny miteny ilay Filoha fa eo amin’ny tany entiny dia tsy mahenjika ny kolikoly ny didy sy lalàna. Noho izany, mila amboarina, ka tokony hovaina ohatra ny HCC (Haute Cour de Justice) izay tsy mahenjika an’ireo mpanao kolikoly toy ireo minisitra izay nanao fianianana, tokony ny lalàna no amboarina hoe : azo henjehina tahaka ny manao kolikoly rehetra, hoy i Constant Raveloson.
Toky R
Nitohy ny 24 desambra iray andro nialohan’ny krismasy ny hetsiky ny vahoaka manohitra ny fitsimbadihan’ny
Sarintsarim-pitoniana politika no misy ankehitriny ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao fa tsy tena misy ilay « trêve politique».
Tsy ny mpisehatra politika ihany no manao fanambaràna izao, hoy ny Randrana sendikaly,
Fomba fiady politika nampiasaina tato ho ato indray ny fampiasana horonam-peo sy horonan-tsary atambatambatra
Tsy mankato sy tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny halatra sy hosoka izahay ary tsy maintsy hijoro",