airtel

Politique

02-nov-2023

Dadafara sy ny RTM

“Mety hanakarama milisy Rajoelina!”

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny talata teo ny antoko politika RTM na “Refondation totale de Madagascar”

02-nov-2023

na Fanorenana tanteraka an’i Madagasikara, izay tarihin’ny filohany, Joseph Martin Randriamampionona na Dadafara. Mazava, hoy ity kandida ho filoham-pirenena tamin’ny taona 2013 sy 2018 ity ny andininy faha 42 ao amin’ny lalàmpanorenana fa rehefa olon-dehibe ampy taona no mangataka zom-pirenena hafa dia very avy hatrany ny maha malagasy azy. Izay moa, hoy izy, no voizin’ny firaisankinan’ireo kandida miisa 10. Eo koa ny fomba fijerin’izy ireo hoe tsy mahitsy ny fomba fiasan’ny HCC, CENI, governemanta. Miangatra, tsy mitondra any amin’ny fahamarinana sy fitoniana ny fijerin’izy ireo azy aloha, mandritra, aorian’ny fifidianana. Ireo mpiara-dia amin’ny kandida Andry Rajoelina etsy andaniny dia mivoy fa nanara-dalàna tsara ny natao hatramin’izay. Efa nisy ny daty navoakan’ny CENI sy HCC. Anaty propagandy isika izao ary amin’ny 16 novambra ny fifidianana. Niezaka nanelanelana ny FFKM sy ny fiarahamonim-pirenena. Ny RTM koa dia hiezaka hitondra elanelam-panahy satria raha mitohy izao fizirizirian’ny andaniny sy ankilany izao dia mety ho tonga any amin’ny fifamonoan’ny samy malagasy na ady an-trano. Ny lalàna dia natao handrindrana fiarahamonina saingy rehefa hita fa ahiana hiteraka korontana izany dia tsy azo ihodivirana ny fifampiresahana na fifanarahana politika. Maninona moa raha avela andeha ny fifidianana ary avela hilatsaka ny kandida Andry Rajoelina fa asiana fanamboarana kosa ny CENI, HCC, governemanta hitantana izany fifidianana izany Isan’ny soso-kevitra vahaolana atolotry ny RTM izany miaraka amin’ny hoe fanamboarana ny lisitry ny mpifidy izay tsy ho vita vetivety fa am-bolana maro. Isany ny fanamboarana kara-panondro biometrika. Governemanta 12 hatramin’ny 18 volana hahitana ny solontena avy amin’ny herivelona rehetra no ilaina satria mitaky fotoana izany. Ireo antoko politika nandray anjara tamin’ny fifidianana nanomboka ny 2009 no ho nankaty miampy ireo kandida miisa 10 ary ny avy aty amin’ny kandida Andry Rajoelina no tokony ho hita ao anatin’izany. Resaka fifandanjan-kery io. Be dia be ny tsy fanarahana lalàmpanorenana misy anaty fitondrana hatramin’izay. Iza moa teto no efa mba nanaraka ny hoe fidiana ny lehiben’ny faritra. Andry Rajoelina mety manam-bolabe sy manana hery ara-tafika ary mety hanakarama milisy hampizara roa an’i Madagasikara dia izay ve no ho andrasana eto Hiarahantsika mahita ny zava-misy any Soudan, hoy hatrany ny RTM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap