hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Hanenenana izay matetika, hoy izy, ary eo foana no mila tandremana amin’ny lafiny demokrasia satria misy soatoavina mila hajaina ao dia ny fitenenana ny tokony ho tenenina fa tsy mamorona. Ny eto Madagasikara moa matetika raha moa misy resaka azo isintomana lakolosy dia lasa ambadika politika nefa isika manana fitsarana. Efa hatramin’ny 2018 no niaraha-mahalala ny tsy fanarahan-dalàna nahazoana fahefana. Noho izany dia ny fahazoanao fahefana koa no hahafahanao manova izay hosoka sy tsy rariny rehetra izay kanefa ianao indray no nibodo ilay fotoana tokony nahafahanao nahazo ilay fahefana. Alaivo aloha ny fahefana rehefa te hanova zavatra? Amin’ny alalan’ny fifidianana no hakana izany amin’ny firenena demokratika. Rehefa tsy mifanaraka ny ara-drariny sy ara-dalàna dia ilaina ny maka fahefana hampifanarahana an’ireo. Tsy hisy fifidianana filoham-pirenena intsony izany izao raha tsy amin’ny 2028. Mbola hisy ny fifidianana solombavambahoaka, ben’ny tanàna, ny mpanolontsain’ny tanàna, ny loholona. Any amin’ny fifidianana mpanolontsain’ny tanàna no hanomanana azy satria ireo no ho mpifidy vaventy hifidy loholona. Tsy takona afenina ny hoe nisy tsy fanarahan-dalàna foana nataon’ny fitondram-panjakana. Tsy hitondra ny malagasy ve ianao raha tsy efa manan-karena izy. Efa fantatra foana fa tsy madio ilay fifidianana. Noho izany dia alaivo aloha ny fahefana hanadiovana azy, hoy hatrany ity mpamakafaka raharaham-pirenena ity!
J. Mirija
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…