airtel

Politique

28-déc-2023

Dany Rakotoson

“Aza manantena zavatra hiova loatra ao anatin’ny 5 taona!”

Sample post image

Mampalahelo ny politika 2023 satria ny taona 2018 isika no efa nahafantatra

28-déc-2023

fa taom-pifidianana ity 2023 ity, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Tokony efa vonona izany kandida sy antoko politika rehetra tamin’ireny hoe andatsaka olona, hoy izy. Vonona ara-bola, ara-kolona, ara-tekinika sy stratejika handresena satria fotoana natao hakana fahefana ny 2023. 2018 no tokony efa notakiana ny hoe ataovy madio ny lalao! Tsy tokony nilatsaka ireo kandida miisa 11 rehefa hitany fa tsy niova ny fitsipi-dalao! Rehefa hanova lalàna moa tsy maintsy manana olona eo amin’ny sehatry ny antenimieram-pirenena. Izay azahoana mpifidy maro no tokony natao satria raha 2,6 tapitrisa no azon’ny fitondram-panjakana dia mbola nisy mpifidy miisa 8 tapitrisa tsy nifidy. Azo natao tsara ny nanentana an’ireo nifidy. Notarihina tsy nifidy nefa ireo. Ny fifandimbiasam-pahefana eto Madagasikara nefa mbola tsy maintsy alaina amin’ny alalan’ny fifidianana. Lesona be ho an’ny mpanao politika iny 2023 iny. Vitan’ny fitondram-panjakana tsara ny niaro ny fahefana ary vitany ny nanohy ny fanjakany. Tsy niomana ny ankabetsahan’ireo antoko nefa ny antoko natao haka fahefana. Tokony ho foanana no dikan’izany ny ankamaroan’ireo antoko eto satria tsy niraharaha ireo olona 200 isa niaraka izay fara-fahakeliny tokony hananana rehefa hanangana antoko eny amin’ny minisiteran’ny atitany. Fitiavan-tena ilay hoe andeha hiaraka amin’ity fitondrana ity aho sao mba ho lasa minisitra, ohatra, fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana. Raha te hahazo fahefana tokony hanana fotokevitra, antoko, mitaiza ny olona anaty antoko. Marobe ireo fiarahamonim-pirenena mahazo famatsiam-bola avy any ivelany hampianarana ny olompirenena hoe mandehana mifidy! Rehefa tonga anefa ny fifidianana dia ny mpanao politika indray no miteny hoe aza mifidy fa be halatra sy ny toy izany io. Rehefa tonga ny fanabeazana mifanohitra toy izany dia lasa tsy mivaky loha intsony ny olona fa samy manao izay tiany atao fotsiny. Tsy olompirenena vanona ary tsy mpandray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena intsony ilay vahoaka avy eo. Manararaotra izay tsy fandraisan’andraikitry ny olompirenena izay koa avy eo ny fitondram-panjakana. Ambany foana ny tahan’ny mpifidy teto hatramin’izay. Adala, hoy i Albert Ainstein, ny olona mihevitra fa manao zavatra mitovy dia hiova ny vokatra ho azony. Tsy niova izao ny fitondram-panjakantsika. Toy ny tamin’ny 2018 ihany no votoatin’ny fianianana nataony. Aza manantena zavatra hiova loatra ao anatin’ny 5 taona! Isika no mila mifanentana satria ho mafy ny zavatra hiseho, araka ny tenin’ny banky iraisampirenena hoe hiakatra 9% ny fidangan’ny vidim-piainana 2024. Manamaivana izay fomba fijery ny fitondrana misy milaza hoe hisokatra amin’ny rehetra nefa efa nisy foana izany hatramin’izay ary tsy nampiova na inona na inona. Mila mivondrona ny mpanao politika, indrindra, ny mpanohitra mametraka stratejia. Mila matanjaka tsara aloha ny antoko ivelan’ny fitondrana fa raha tsy izany dia manao ny ataony foana izy mianakavy. Hitantsika ny vokatra nomen’ny banky iraisampirenena fa ny 80%n’ny vahoaka malagasy dia tsy manana fahafahana amina 2 Dolara isan’andro. 96% tsy manana fahafahana amina 6 Dolara isan’andro. Be loatra eo amin’ny rafitra ara-toekarena izany. Fara faha ratsiny ny 25%n’ny malagasy tokony hahazo izany 6 Dolara isan’andro izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-sept-2024

Nanomboka ny desambra 2023 nialohan’ny nandraisany fahefana, am-polony ny fivoahan’ny filoha Rajoelina tany ivelany.

Card image cap
06-sept-2024

Mbola i Jimmy Randriantsoa no kandida Ben’ny tanana atolotry ny antoko Tiako I Madagasikara

Card image cap
06-sept-2024

Omaly Alakamisy 05 Septambra vao niteny Atoa Avotraina Andriamosa voafidy ho solombavambahoaka

Card image cap
05-sept-2024

Efa nanomboka nafampana ny tontolo politika tamin’ny herintaona tahaka izao mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena ;

Card image cap
05-sept-2024

Misokatra amin’ny fomba ofisialy anio 05 septambra hatramin’ny 19 septambra ny fandraisana antontan-taratasy ho

Card image cap
05-sept-2024

Iray andro nialohan’ny fisokafan’ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly,

Card image cap