airtel

Politique

18-juin-2024

Dany Rakotoson

«Betsaka no voavidy ao amin’ny antenimierampirenena»

Sample post image

Fomban’ny mpanao politika ny manakarama olona hampiaka-peo hoe izahay no tompon’ny fahamarinana,

18-juin-2024

hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Matoa mandalo fitsarana izany dia tsy misy manana ny fahamarinana, hoy izy. Izay valiny avoakan’ny fitsarana eo no azo atao hoe fahamarinana. Tsy maintsy miandry ny fanambaran’ny HCC nefa. Tsy mampandroso firenena ny korontana. Ny resaka fifidianana izany rehefa tsy vitanao ny nametraka ny elanelana mazava tsara eo aminao sy ny mpifanandrina aminao dia mety ho sarotsarotra foana satria iaraha-mahalala ihany ny eto Madagasikara. Tsy maintsy hiaro ny olona miaraka aminy ny fitondram-panjakana kanefa rehefa betsaka izay elanelam-bato nandresenao azy izay dia tsy hitan’ireo fitondram-panjakana ireo ny hanovana ny vokatra. Raha te hahazo fitondrana dia tokony hanana vondron’olona na antoko politika mazava tsara vonon-kiady miaraka aminao. Hampiseho izay elanelana izay hoe tena ity olona ity marina no tianay hisolo vava anay, ohatra. Indraindray izany no olan’ny fitondram-panjakana. Tsy olona ao amin’ilay faritra akory no nalatsaky ry zareo dia lasa misy kandida mifanandrify tian’ilay faritra mifaninana amin’iny dia lasa mahatonga ilay savorovoro. Fanonganam-panjakana no nisy ny taona 2009. Nahatonga ny fitondrana tamin’izany tsy ho mari-toerana ny fanonganam-panjakana niainga tamin’ny tafika. Amin’izao fotoana izao, naka fepetra tsara mihitsy ny tafika fa tsy hiditra intsony amin’ny savorovoro politika toy ireny satria tsy mampandroso firenena izany. Ny ankamaroan’ny antoko politika teto Madagasikara dia tsy nanana ny maha izy azy mihitsy satria ny ankamaroan’ireo nahazo fitondrana dia efa nahazo fitondrana vao nanangana antoko. Tsy nisy fanabeazana ara-ideolojia, araka izany, tao. Sendra tonga tao fotsiny ilay antoko fa tsy nanana maro an’isa dia nitangoronan’ny mpanararaotra na «opportuniste» sy mpisolelaka. Rehefa andeha izao ny fanambaran’ny HCC dia ho tonga ao amin’ny antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka lany ireo dia ho hitantsika amin’izay ny tena fifandanjan-kery marina. Tokony atao mazava tsara nefa ny tanjona satria ny antony maha solombavambahoaka an’ireo dia mba hiaro ny malagasy. Hitondra ny hoe ahoana no hampanan-karena ireto malagasy ireto? Mahafinaritra ireo solombavambahoaka ireo ve ny mahita ny fianakaviany mahantra? Ny lalana mankany aminy ratsy? Mahafinaritra an’ireo ve hoe eto no tena miasa ny tetibolam-panjakana nefa anya mina distrika maro ireo no misehatra? Izany no tokony dinihin’izy mianakavy satria tomponandraikitra tanteraka amin’ny fanaraha-maso ny mpanatanteraka ireo. Ny fahaizan’ny samy solombavambahoaka mifampitarika amin’ny fahatongavan-tsaina no tena ilaina. Iaraha-mahalala fa betsaka no voavidy ao amin’ny antenimieram-pirenena na dia raisintsika fotsiny aza hoe ny ankamaroan’ireo depiote tsy miankina. Efa niainantsika izany dia nivoaka moa ilay anarana hoe malety. Anjarantsika vahoaka malagasy no mamerina ny hasin’ny antenimieram-pirenena sy ireo solombavambahoaka ireo sy amin’ny alalan’ny fampahatsiahivana azy ny tena asany. Inona moa no tena andrasana aminy ankoatran’ny fanatsarana ny fiainan’ny malagasy amin’ny lafiny rehetra, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap