hoy ny mpandraharaha ara-toekarena sady mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny tarehimarika maneho fa ny 68,5%n’ny tanora latsaky ny 24 taona eto Madagasikara dia tsy an’asa avokoa. Olona 3 izany sisa no afaka mamelona azy 7, izay mavesabesatra ihany izany, raha misy azy 3 no mbola hamelona olona 7 tokony hiasa koa, hoy izy. Izay no mahatonga ahy miteny foana hoe maninona moa ny firenentsika no faran’izay mahantra dia satria ny fanjakana tsy mety maha tafapetraka ilay politikan’ny famoronana asa. Ny tanora mivoaka fianarana dia tokony efa hisy asa maro mihoatra ny isan’ireo tanora ireo ny asa vonona efa miandry azy. Tsy vitan’ny fanjakana mihitsy nefa ny nametraka an’izany. Tsy misy mihitsy ny fepetra ahafahan’ny orinasa hiforona aingana. Na ny resaka sehatra na «zone» fotsiny aza dia tokony jeren’ny fitondram-panjakana hoe «zone commercial» na «zone industriel». Tokony ho feno no dikan’izany isaky ny distrika satria tsy Antananarivo irery akory no Madagasikara. Tokony hanana izay politika izay isaky ny faritra sy kaominina. Isan’ny voka-dratsin’ny fifehezana ny fahefana ho eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika irery izay zavatra izay. Tsy misy mandray andraikitra mihitsy tsinona any amin’ny faritra mba hahafahana mamorona asa. Ny tsy fananan’ny fitondram-panjakana drafitra politika matotra fa lasa werawera fotsiny amin’ny fananganana fotodrafitrasa tsy misy fiantraikany amin’ilay vahoaka no olana. Nahita izao ny tena andro alahady, tanora mandeha manao baolina eny amin’ny tany mena, tangoronan’ny olona rehetra hoe tena tsy misy atao ve izany sa izay no mba fialamboly? Resahana foana ny hoe kianja manara-penitra. Mahagaga hoe atao inona moa izany ireny? Tsy tokony ho ampiasaina na ilalaovan’ny tanora ve? Tokony hanova stratejia noho izany ny fitondram-panjakana ialana amin’io fifehezana fahefana amina toerana iray na «centralisation» io. Ilaina ny fiaraha-midinika amin’ireo raiamandreny ara-panahy, ara-drazana, antoko mpanohitra. Madagasikara iraisana ity! Rehefa mipetraka izay dia tokony ho hita ny hoe malagasy tahaka ny ahoana no tokony ho hita eto afaka 3 taona, 10 taona, 30 taona? Apetraka ny fehinkevitra tokony ifanaraka amin’izany. Maheno isika hoe mbola 8 miliara Dolara fotsiny no trosan’i Madagasikara. Tsy manana fahafahana mihitsy izany isika hitrosa misimisy kokoa na «capacité d’endettement» ivelarana ka tokony hiezahan’ny fanjakana izany. Ny trosan’ny firenen-dehibe sasany any ivelany any henonao hoe 1500 miliara na 84 miliara. Manana fahafahana mbola hitrosa misimisy kokoa izany isika ahafahana mampandroso ilay firenena saingy ny tsy fisian’ny drafitra mazava hahafahana mamoaka ny firenena amin’izao toerana misy azy izao no mahatonga an’i Madagasikara ho faran’izay mahantra ankehitriny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…