mamoaka endrika sy laza tsara ho an’ilay nosy sy zavatra hafa maro manintona ny hafa firenena ho ao, hoy ny mpandraharaha misehatra amin’ny fizahantany sady mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Isika nefa, hoy izy, tsy mahay mamoaka izany. Izy firenena mitovy velarana amin’Antananarivo saingy avo 4 heny amin’ny eto Madagasikara ny mpizahantany vahiny tonga ao. Ratsy be foana ny vokatry ny fahapotehan’ny fotodrafitrasa mifandraika amin’ny fizahantany, toy ny lalana sy resaka sidina, satria raha mijery isika any anaty tambazotran-tserasera dia betsaka izao ny hotely voatery amidy sy niova tompo. Maro ireo mpandraharaha lasa mila ravinahitra any ivelany satria tsy ahafahany hananganan-javatra eto. Aty izao ny maorisianina no mitady olona tekinisianina mahafehy ny resaka fampiantranoana sy nahandro. Manofana ry zareo dia alainy. Izay no vokatr’ilay tsy fananan’ny fitondram-panjakana politika mazava tsara hanatsarana ilay sehatra. Ny fitondram-panjakana foana no fototra hahafahana manatsara an’io fa izahay mametraka planina fotsiny. 400 tany izao, ohatra, taloha no isan’ny mpandoha hetra amin’ny resaka fiantranoana teto Analamanga. Lasa any amin’ny 200 izany sisa. Mampalahelo izany. Nilaza moa ny minisitera fa nitombo 22.000 ny isan’ny mpizahantany eto amintsika tamin’ny 2 volana niandohan’ny taona teo. Maheno ny vaovao avy ao La Reunion nefa ianao dia nahita fitomboana 12% zareo. Misy ny dikan’izany taorian’ireny COVID 19 ireny ny fiakarany isan’ny mpizahantany teo amin’ny sehatra iraisampirenena. Mamita-tena isika raha mampitaha ao anatina toe-draharaha toy izany satria Madagasikara dia napetraka ho toerana maha te hizaha na «bonne destination» na dia eo aza ny olana isan-karazany ao. Ny antony dia azo lazaina hoe voatahiry noho ny fahantrantsika isika. Mampalahelo ny miheritreritra izany saingy izay izany ilay izy tsy mbola namotika be ny voaharintsika na «écosystème» antsika izany isika. Ny any ivelany ireny efa manao «bêton» na lasi-tsimenitra be ireny daholo. Maorisy izao saika voatrolombelona na «artificiel» daholo no hitanao any. Vitany nefa ny mampidina ilay sarany. Manana politika izy any amin’ny aziatika na indianina. Resaka mariazy fotsiny, ohatra, ny resaka fahasalamana ao aminy. Ny antsika mbola mijanona resaka natiora no tena fototra. Tsy mbola manitona loatra ny olona nefa ireny vao maheno izy hoe firenena mahantra. Ny olona rehefa hizaha tany izany dia mila mahita zavatra miabo. Izay no antony hoe tokony hezahana ny hampanakarena ny malagasy mba tsy hahita mpangataka eny an’arabe intsony afaka 5 taona satria isan’ny isatra amin’ny fanatsarana ny sarin’i Madagasikara ny fahantrana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…