Iaraha-mahalala ankehitriny ny fahalafosan’ny fiainana eto Madagasikara, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Iaraha-mahalala koa, hoy izy, fa tsy dia havanana loatra ny fitondràm-panjakàna tamin’ny fanatsaràna ny toekarena teto Madagasikara. Hitantsika ireny tombana navoakan’ny banky iraisampirenena sy ny tahirim-bola iraisampirenena ireny fa isan’ny firenena faran’izay mahantra i Madagasikara. Rehefa tsy misy fepetra mifanaraka amin’ireny «tsinjo» ireny dia tonga ny fidangan’ny vidim-piainana. Io fepetra mifanaraka resahina io dia ny mikasika ny famoronana harena na fampitomboana ny harin-karena. Tokony hampitombo harinkarena ireny fanomezana toy ny «Vatsy tsinjo» ireny mba hahatonga ny olona tsy manao na inona na inona hanan-katao. Anisany mety hahatonga izany ny fampidinana vidin-tsolika saingy tsy ampy. Im-piry nidina moa ny vidin-tsolika teo amin’ny sehatra iraisampirenena fa tsy nidina ny teto? Im-piry niakatra fa ny teto tsy niakatra? Mety ho antony politika izany ny fampidinana kely ny vidin-tsolika tahaka izao. Ny tadiavintsika fotsiny dia hoe tokony hihena ny fidangan’ny vidin’entana na miakatra ny fahefa-mividy ka tsy misy afa-tsy ny famoronana harena, ny fananana politika sy stratejia hampitomboana ny harinkarentsika no hahafahana manao izany. Nandray fahefana ny filoha amerikanina ny alatsinainy teo ary talohan’izay dia efa niteny ireo fepetra ho raisiny izy. Fepetra efa nisy daholo ihany ireny saingy tamin’ny andron’ny demokraty no tsy sahy niditra izy teo amin’ny sehatra iraisampirenena. Tsy nampiseho ilay toetra amerikanina hoe izahay mahavita azy na manana ny maha izy anay, mpifehy izao tontolo izao. Na ny sinoa aza izao lasa mafy be ara-toekarena. Ny fananana toetra sahy izany dia isan’ny nahalany an’i Donald Trump. Amboarintsika, hoy izy, ireo mahafaty antsika. Amboarintsika ny Panama. Ho akana haban-tseranana daholo ireo. Maninona no isika no nanao ny Panama dia ny sinoa no hisitraka azy? Vahaolana politika mipetraka no sady mamerina ny amerikanina amin’ny toerany ny azy. Hametraka ny be kintana amin’ny toerany no tanjony. Lahatenina tia tanindrazana izay tsy ananan’ny ankamaroantsika eto no nataony. Raha manana politika toy izany ny fitondràm-panjakàna malagasy dia hanaradia ireo firenena hafa be dia be nandroso nanana izay toetsaina izany ihany koa. Tsy sahy fanapahan-kevitra tia tanindrazana toa an’i Trump ny mpitondra antsika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Ny Malagasy ve no efa lasa zatra miaina miaina fahantrana, tsy fanjariana, kolikly, fitiavan-tena,…
Tsy hanaiky hatramin’ny farany isika!», fomba firesaky ny mpanohitra rehefa mandeha ny hosoka
Namory ireo Lehiben'ny Fileovana manerana ny Faritra rehetra nahitana ireo Prefe sy Lehiben’ny distrika ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian.
Toy ny tamin’ny sabotsy 18 janoary teo, natao andrimaso indray ny depiote sady kandida
Haverina ny fifidianana any Andohanilakaka araka ny didin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny
Efa fantatra fa tsy omen’ny fitondràna ny fanoherana mihitsy ny maro an’isa tamin’ny fifidianana