airtel

Politique

06-sept-2024

DEPIOTE AVOTRAINA ANDRIAMOSA

Nisaotra ny vahoaka nifidy azy

Sample post image

Omaly Alakamisy 05 Septambra vao niteny Atoa Avotraina Andriamosa voafidy ho solombavambahoaka

06-sept-2024

ao anatin’ny distrikan’Avaradrano taorian’ny nahalany azy tao anatin’ny Vovonana Firaisankina. Fisaorana ny vahoakan’Avaradrano no nisantarany izany voalohany ka anisan’ny nosinganiny manokana ny mponin’Alasora. Ny 48%-n’ny vato azony mantsy dia avy amin’ny mponin’Alasora avokoa izay miisa 6.000. Notsindriany tamin’izany fa anisan’ny kaominina mendrika sy tena maodely ny kaominina Alasora raha oharina amin’ireo kaominina 15 isa namany ambiny. Ankoatra ny fahaizan’ny mponina misafidy ny olona hitantana azy hoy izy dia liam-pivoarana ihany koa ny Ben’ny tanana. Nasiany resaka manokana ny lafiny fandriampahalemana izay nanampian’ny kaominina ny mpitandro ny filaminana ka nadrakofany jiro tanteraka ny tanana. Manamaivana ny asan’ireto farany izany raha ny nambarany no sady hitsinjovana ny mponina mody hariva ihany koa. Nomarihiny moa fa hanao izay mety ny tenany hanampiana ny eny ifotony tahaka izao hahafahana mampandroso an’Avaradrano iray manontolo.
Pati
Legende : Ny Depiote Avotraina Andriamosa lany tao anatin’ny Vovonana Firaisankina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano !

 

Dans la même rubrique

16-sept-2024

Tsy hita izay ambara fa sady tezitra no nalahelo ireo kandida mpanolotsain'ny tanàna sendran'ny don-tandroka

Card image cap
16-sept-2024

Nafana ny fihaonana teo amin’ny vahoakan’Ambohimanarina sy ny depiote Todisoa Andriamampandry

Card image cap
16-sept-2024

Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fifidianana

Card image cap
16-sept-2024

Mafana ny toe-draharaha ara-pifidianana amin’izao telo andro tsy hifanaranan’ny fe-potoana hitsaharan’ny fametrahana antontan-taratasy izao.

Card image cap
16-sept-2024

Mihamafy ny fifandirana eo amin’ny fitondrana Rajoelina sy ny vondron’ny mpanohitra tarihin’i Marc Ravalomanana.

Card image cap
16-sept-2024

Nilatsaka ny didy ho an’ny ben’ny tanànan’Antsiranana I Atoa Dzavojozara Jean Luc.

Card image cap