ataon’ny Firaisankinan’ny kandida. Nanamafy ny fitanilan’ny governemanta sy ny rafitra maro samihafa miantsoroka ny fikarakarana sy fitsarana ny fifidianana. Isan’ny niantso ny hanamafisana ny hetsika manomboka amin’ity herinandro ity depiote Fidèle Razarapiera. Niantso ny mpiasam-panjakana hiroso amin’ny fanakatsoana ny raharaham-panjakana mba hanafainganana ny tolona. Amin’ny maha zanaka manamboninahitra azy, niantso ny mpitandro ny filaminana mba hanatsahatra ny famoretana sy ny fampiasan-kery tsy mifanentana amin’ny hetsika am-pilaminana ny tenany, ary niantso azy ireo hitodika amin’ny vahoaka. Nahitsy ny hafatra politikan’ny Depiote Fidèle Razarapiera tamin’ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina hoe: "Hafatra ho anao Rajoelina, maro izahay niaraka taminao tamin'ny 2009 no eto. Ny nataonao ihany no averina aminao".
Toky R
Tsiahivina, hoy ny antoko politika Teza, fa ny frantsay, ny vondrona eoropeanina,
Manamafy ny tsindry hamoahana an’i Paul Maillot Rafanoharana i Frantsa, amin’ny alalan’ny loholona Christophe-André Frassa,