airtel

Politique

27-mai-2024

Depiote Hanitra Razafimanantsoa

« Aza mifandrebireby, ianareo no tratra miketrika hala-bato »

Sample post image

Nisy ny faran’ny herinandro teo ny fivoizana tamin’ny haino aman-jery sy tambajotran-tserasera

27-mai-2024

fa nanao herisetra tamin’ny vehivavy IRMAR nitana toerana natao biraon’io vondrona mpanohana ny kandidan’io vovonana io ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nolazana fa namono vehivavy bevohoka, ka tsy nihetsika intsony ny zaza tao an-kibon’io, ary voatery naiditra hopitaly sy nodidiana raha ny serasera natao. Nisy mihitsy ny serasera sy fandehanan’ny kandida Augustin Andriamananoro sy ny lisitra faharoa miaraka aminy Rtoa Tahiana Razanamahefa ka nilazana fa tsy hanaiky fa hitory izy ireo. Andaniny, nitondra fanazavana ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, nilaza fa natratra ny fikotrehana hosoka sy hala-bato amin’ny fifidianana. «Tratra ambodiomby ireo TGV nanangona anaran'olona, manangona karapanondro sy kara-pifidianana, mampiasa karinem-pokontany any an-tranon'olona amin'ny fomba tsy ara-dalàna ampiasaina miaraka amin'ny karatra TGV,... Manery ankolaka ilay olona hoe: ity fidiana dia mahazo zavatra, kanefa zavatra tokony hositrahan'ny rehetra, hoy ny fanazavan'i Maître Hanitra Razafimanantsoa sady Depiote am-perin'asa no kandida. Tsy ara-dalàna ny fampiasana karapanondro sy kara-pifidianana hita any amin’ny toerana an’ny TGV hoy hatrany ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nalain’izy ireo horonantsary avokoa moa ny zavatra niseho, ka ilay boky ambaran'izy ireo fa porofon'ny halatra sy hala-bato no nentin'ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa sy ny ekipany. Noraketina tao anatin’io avokoa ny laharan-karapanondro, ny kara-pifidianana ny karinem-pokontany,… « Tsy nikasi-tanana an'iny Ramatoa iny aho fa izy no nikasi-tanana ahy, nisintona ny akanjoko taoriana tao,... Tsy nisy hoe: gros bras na Benja Maki sy ny sisa izany nidaroka azy, ary io izy mbola mijoro tsara! Aza mifandrebireby ary aza lalaovina ny polisy », hoy ny kandida Hanitra Razafimanantsoa. Naneho izy ireo fa nampiasa vadin-tany sy mpanao gazety tamin'ny fanatrarana ny hosoka. Tao anatin’io hetsika io, dia naneho aza ny depiote Hanitra Razafimanantsoa hoe : asaivo tonga eto ny lehibenareo, tsy ara-dalàna izao,… Raha raisina amin’ity, dia natao fitaovana izany ilay zaza tao am-bohoka ary sanatrian’ny vava nozonina !? Tsy dia mahagaga ihany koa anefa amin’ny politika ny endrika fipetrahana ho lasibatra na « victime » ary efa mpiseho ny filalaovana faty toy ilay Ramatoa nambara fa maty nodomin’ny fiaran’i Marc Ravalomanana ka nanaovana hazalambo ny mpamiliny, kanefa nisy taty aoriana ny fijoroana vavolombelona fa ry « priscolaire » no nanosika sy nanitsaka azy. Ny vao izao izany fa isan’ny tantara efa nitranga ny fitondrana teny amin’ny 13 mey ilay tovolohany voatifitra teny Anosipatrana. Ambany be ve ny taham-panohanan’ny vahoaka na eo aza ny zara koveta sy sehoseho samihafa dia zara aza misy toe-javatra mitranga azo hararaotina ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap