airtel

Politique

22-sept-2023

Depiote Keron Idealson

"Efa tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy intsony i Andry Rajoelina"

Sample post image

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

22-sept-2023

itiavana azy fotsiny ny llalàna indrindra fa ny lalampanorenana.Ilay zom-pirenena miteraka fifandonanan-kevitra no noresahany ka nampatsiahivany ny andininy faha 15 ao amin'ny lalampanorenana hoe: " manan-jo hilatsaka hofidiana amin'ny fifidianana rehetra voalazan'ny lalampanorenana ny olom-pirenena tsirairay rehefa voahaja ny fepetra takian'ny lalàna" Tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy izay rehetra milatsaka ho fidiana filoham-pirenena araka ny andininy faha 46 ao amin'ny lalampanorenana ihany. Dia efa ambaran'ilay andininy faha 42 ao amin'ny lalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena anefa fa very avy hatrany ny zom-pirenena maha Malagasy ny olona iray rehefa mangataka zom-pirenena hafa . Ny taona 2013 no nangataka ny zom-pirenena Frantsay i Andry Rajoelina, nahazo izany izy ka raha ny tokony ho izy dia efa very niaraka tamin'izay ny maha Malagasy azy. Nampatsiahivin'ny depiote Idealson izay sady mpahay lalàna ihany koa moa fa ny fitsarana ambaratonga voalohany no voantondro, araka ny lalàna fa manana fahefahana hitsara ny fifandirana momba ny zom-pirenena . Notohizany tamin'ny hoe tsy tokony mbola namoaka ny heviny momba ilay zom-pirenen'i Andry Rajoelina mihitsy aloha ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana raha tsy efa namoaka ny didy mahakasika io raharaha io ny fitsarana mahefa ny amin'izany, araka ny voalaza etsy ambony .Nisy ny fitoriana natao teny amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany, izay mahefa ka ny eny no tokony milaza ny heviny sy mamoaka didy fa tsy hoe ny HCC no tonga dia miaro ilay olona, raha ity fanazavan'i Keron Idealson ity. Anisan'ireo manizingizina ity olom-boafidy mpiaradia amin'ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko ity fa efa tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy intsony i Andry Rajoelina ka noho izany tsy tokony neken'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny maha kandida ara-dalàna azy amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy io.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap