airtel

Politique

02-juil-2024

Depiote "Mahaleotena"

Miainga sahady ny ketrika ?

Sample post image

Hivory voalohany eny amin'ny antenimierampirenena Tsimbazaza ny talata 9 jolay 2024

02-juil-2024

ho avy izao ireo solombavambahoaka voafidy ny 29 mey.Fivoriana tsy ara-potoana izy ity, hametrahana ny fitsipika anatiny, birao maharitra, ny vaomiera isan-tsokajiny, ireo vondrona parlemantera. Momba ity farany ity dia re omaly, teny Tsimbazaza fa efa mihetsiketsika fatratra ireo depiote ambara fa "indépendant" na mahaleotena. Nisy ny antso nataona olomboafidy iray voafidy teto an-drenivohitra ny amin'ny hoe tokony hitambatra ho iray ireto depiote mahaleotena ireto. Raha ny re omaly anefa dia hisy karazany roa ny vondron'ny mahaleotena eny Tsimbazaza dia ny depiote mahaleotena efa depiote teo aloha, izy ireo ilay mety hoe tsy nofidian'ny antoko politika nisy azy intsony dia nanao kandida mahaleotena ka lany. Ny vondrona parlemantera an'ny mahaleotena faharoa kosa dia ireo izay mihitsy vao voafidy ho solombavambahoaka. Manana hery politika lehibe ireo depiote mahaleotena 50 mahery kely eny Tsimbazaza ka heverina fa tongatonga ho azy ity hoe Mahaleotena 1 sy 2 ity fa dia efa misy ketrika ao. Tsy nanomboka nivory akory, tsy niaka-dapa akory izany dia efa miainga sahady ny sera politika ho an-dry depiote tsy miankina isany, raha ity resaka re omaly teny Tsimbazaza ity no raisina. Fomba fanao efa tsy dia mahagaga intsony raha ny fanaovana politika eto Madagasikara mampisongadina hatrany ny sakaizan'ny mpandresy, fa ny fanontaniana manitikitika dia ny hoe hanao inona ? Hampiasa ny fahefana am-pelatanana mba hanerena ny governemanta hiasa tsara sy mahomby kokoa ho an'ny tombotsoan'ny firenena ve sa ho tavela amina adilahy politika miodinkodina am-pitoerana manome vahana ny tombotsoan'olom-bitsy sy hiaro antoko fotsiny ? ENCADRE Malalaka hiditra amin'izay vondrona parlemantera heverina fa mety aminy ny solombavambahoaka mahaleotena na tsy miankina, izany hoe tsy voafidy tamin'ny anarana antoko, raha ny voalazan'ny andininy faha 72 ao amin'ny lalampanorenan'ny repoblika faha-4.
RTT
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap