airtel

Politique

01-déc-2023

Politique

Depiote Mamy Rabenirina «Samia mivonona fa mety mafimafy ny miandry antsika »

Sample post image

Anisan’ireo tazana tao anatin’ny fihaonana lehibe nataon’ny Etamazaoron’ny

01-déc-2023

mpanohitra omaly teny Andohan’i Mandriseza ireo depiote avy amin’ny fanoherana. Voalazan’ny lalàmpanorenana ny fifidianana, naneho fahavononana ireo kandida, saingy nahita fa misy ny zavatra tsy mety maro. Nitaky fanadiovana fa tsy noraharahiana. Noho izany, na inona na inona zavatra nataon’izy ireo, nampibontsina ny voka-pifidianana, dia nandresy isika satria nanaraka ny toromarika tsy nandeha nifidy ny vahoaka, tsy to teny amin’ny vahoaka intsony ny mpitondra. Na inona na inona holazainy eo, dia tsy nisy fifidianana Filoham-pirenena teto, ary tsy izy iny fifidianana iny amintsika. Manery amin’ny firosoana amin’ny dingana manaraka ny zava-misy », hoy ny depiote Mamy Rabenirina. Tsy mihemotra isika, hoy izy, ary naseho ho hitam-pirenena ny porofo ahafaha-milaza fa tsy izy iny fifidianana iny. Nandresy isika, aty amintsika ny tahan’ny safidy ambony, midika fa to teny ireo Raiamandreny, ka miandry ny toromarika aminareo. Ny dingana tsy maintsy ataontsika dia mamadika pejy vaovao, makany amin’ny tolona izay mitohy, makany amin’ny tanjona mametraka ny demokrasia tena izy, Fanjakana tan-dalàna tena izy, mametraka fanjakana tena afaka hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara. An’ny Malagasy ity, ka tsy ekentsika raha vahiny no hitantana ny firenentsika, koa samia miomana, samia mivonona, ka mety mafimafy noho ny teo no miandry antsika, hoy hatrany ny Depiote Mamy Rabenirina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-mars-2025

Tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana, momba ny raharaham-pirenena sy ireo

Card image cap
13-mars-2025

Tsy misy andro iray mandalo eto ka tsy andrenesana hoe nisy fivoriana, atrikasa, famelabelaran-kevitra, fiofanana.

Card image cap
13-mars-2025

Manome vahana ny mpanao didy jadona ny fahanginan’ny vahoaka»

Card image cap
13-mars-2025

Potika ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny fihetsika politika na

Card image cap
13-mars-2025

Nahafahana nitsapa tsara ny alalin’ny rano eo amin’ireo mpitodra fanjakana eto madagasikara sy ny mpomba azy

Card image cap
12-mars-2025

Tafiditra ao amin’ny sokajy fitondrana "hybride", izay manambatra ny demokrasia amin'ny

Card image cap