airtel

Politique

13-nov-2023

Depiote Rossy

“Hitombo avo 100 heny ny olona hanaraka an’ireo manomboka androany!”

Sample post image

Nihetraketra sy nampiasa sandry ny zandary, hoy ny depiote Ramasimanana Paul Bert na Rossy, omaly hariva.

13-nov-2023

Betsaka ireo zandary sy polisy tanora no tsy mitandro filaminana fa mihetraketraka, hoy izy. Miantso antsika zokibe rehetra mpitondra tanora sy mpitaiza tanora hihaona haingana. Tsy teny aho fa niasa tato Tsimbazaza satria eo afovoany. Rehefa mahita mpitandro filaminana mitifitra “à bout portant” vavan’olona dia tsy izany no nampianarina antsika zandry! “Conflict de génération” na tsy fifankahazoana eo amin’ny zokiny sy zandriny no zava-misy eny an-toerana. Tanora kely daholo na ny polisy na ny zandary. Manao Rambo! Mpitandro filaminana ianareo tompoko fa tsy mpirombo hiady amin’olona! Avoahay ny depiote fa tsy azo samborina anaty fivoriana na “session” ny depiote! Inona ilay “flagrant délit” na heloka bevava nataon’olona nivorivory teo? Avoahay ilay depiote fa tsy olonolom-poana fa lehibena vondrona mihitsy! Misy olona aorian’ireo depiote ireo. Ho itanareo ny voka-dratsin’iny androany iny! Hitombo avo 100 heny ny olona hanaraka an’ireo manomboka androany. Tanànako ity! Fantatro ny toetran’ny olona eto. Fantatro ny malagasy fa olon’ny fo. Ho be dia be tsy ho zakanareo ny haben’ny olona hiaraka amin’ireo ao aorian’iny. Mitady fandaminana aho tompoko! Ato amin’ny antenimieram-pirenena no mbola rafitry ny repoblika tsy nihetsika fa nilamina. Miantso an-dramatoa lehibenay hampiantso ireo olona ireo dia mba hanao resak’olon-dehibe fa tsy mety ny mifandratra sy mifampidera sandry toy ireo. Ho anareo mpanao gazety, mba ataovy ny fanadihadiana hoe iza no mibaiko mandefa an’ireny? Ntsay Christian ve? Jeneraly Richard ve? Jeneraly Andry ve? Manohy ny tohiny izahay, hoy hatrany i Rossy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap