airtel

Politique

17-juil-2024

Depiote Voahangy

« Misy lamosina be manohana ny Praiminisitra »

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny Depiote Raharimanarivo Voahangy manoloana ny zava-misy

17-juil-2024

eto amin’ny firenena taorian’ny nahalany azy ho solombavambahoakan’Atsimondrano voafidy tamin’ny anaran’ny Vovonana Firaisankina. Nasiany resaka manokana tamin’izany ny nandanian’ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza an’Atoa Ntsay Christian ho lehiben’ny governemanta indray. Nambarany fa misy lamosina matanjakabe manohana ity tompon’andraikitra iray ity ao matoa izy mbola tafaverina indray eo amin’ny toerany ihany ary na ny Filoham-pirenena aza mety voafatotra ao anatin’izany. Misy tsy firaharahiana vahoaka ao hoy izy fa ny fijerena ny tombontsoa manokana ihany no zava-dehibe. Madagasikara tsy mandroso no misy eto. Tsy antenaina koa hoy izy ny hisian’ny governemanta misokatra sy ny olom-baovao ao anatin’ny governemanta satria ny olona tsy mahomby dia miaraka amin’ny olona tsy mahomby toa azy ihany koa. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa ho sarotra ny mbola hiainan’ny tsy fahombiazan’ny governemanta Ntsay Christian mandritra ny 5 taona ho avy indray.
Pati
Legende : Depiote Raharimanarivo Voahangy, voafidy tamin’ny anaran’ny Firaisankina teny Atsimondrano !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap