airtel

Politique

05-juin-2024

Désiré Ranaivoson

«Tsy maintsy voatery hifampidinika io fitondrana io!»

Sample post image

Raha mipetraka ny mangarahara dia tsy voatery ho ao amin’ny CENI fotsiny ny

05-juin-2024

fampitahana fa raha ohatra ka mahita tsy mitovy ilay latsabato voakasika vao mankany hoe ity sy ity tsy mitovy amin’ny am-pelantananay, hoy ny antoko politika Marina, naneho ny heviny mikasika ny savorovorom-pifidianana ankehitriny. Sady mampihena ny asan’ny CENI izany, hoy ny filohan’ny antoko, Désiré Ranaivoson. Tokony apetraka amin’ny manaraka hoe tokony hisy vokatra isaky ny biraom-pifidianana ny vokatra avoakan’ny CENI! Vokatra isaky ny fokontany vao isaky ny kaominina vao isaky ny distrika. Ny resaka fifampidinihina dia misy fomba fiteny hoe aleo tara toy izay tsy misy. Miteraka korontana foana ny tsy fisian’ny fifampiresahana. Rehefa mahatsiaro miha kely hery ny fitondrana vao miditra amin’ny fifampidinihina fa raha mahatsiaro ho matanjaka izy, ny matanjaka tsy mifampidinika amin’ny osa fa mampihatra ny heriny. Ilaina ny fifandanjan-kery mba hisian’ny fifampidinihana. Tsy hifampidinika mihitsy raha tsy mifandanja io hery io satria izay ilay teny ierana. Tsapa koa tamin’ity fa be dia be ny tsy miankina tafiditra anaty antenimieram-pirenena. Saika olona tena manam-bola ireo rehefa jerena ary mbola voaporofo fa ny enti-manana no miantoka aloha fa tsy mbola ny fotokevitra raha ohatra ka fifidianana eto Madagasikara no resahana. Anjaran’ny vahoaka no mametraka ny fifandanjan-kery. Mbola tsy afaka miteny hatreto satria ny HCC no manapaka azy fa amin’ny ankapobeny dia hita hoe misy fironana mankany amina ivelan’ny fitondram-panjakana kokoa avy amin’ny mpifidy indrindra amin’ireo ataoko hoe tanan-dehibe. Miha marefo raha oharina amin’ny teo aloha ny fitondram-panjakana. Raha mitohy ny fahatongavan-tsainan’ny mpifidy dia tokony ho tonga any amin’ny fifampidinihina. Indraindray ny vahoaka koa no mila mifehy mpanao politika. Misy paikady tokony ataon’ny olompirenena. Fifampitaizana io. Ny any ivelany manao izany daholo. Indraindray izy mifidy ny ankavanana dia indraindray ankavia dia mandeha foana ny fifampiresahana. Tsy maintsy voatery hifampidinika io fitondrana io satria matetika isika mikorontana foana vao mifampiresaka! Hoy aho hoe maninona raha mifampiresaka mialohan’ny hisian’ny korontana na mba hisorohana korontana? Mikasika ny volan’ny vondrona iraisampirenena dia tadidio fa resaka fiaraha-miasa io! Resaka tombontsoa foana ny fifandraisana iraisampirenena. Resaka fifanajana koa nefa. Ho tsara tantana koa ve nefa ilay vola raha azontsika satria amina miliara Dolara no vola efa nitontona teto nefa miha mahantra ihany ny malagasy. Ny fahaiza-mitantana ny eo an-tanana no zava-dehibe, ankoatran’ny hoe fanampiana. Mety maneho an-kolaka ny tsy fahafaliany noho ny zava-nitranga ny olona ary isika koa naneho ny tsy fahafaliantsika tamin’ny nataony. Mila aravina io satria tsy afaka ny tsy hifandray amin’ny sehatra iraisampirenena isika, hoy hatrany ny filohan’ny Marina.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap