airtel

Politique

21-mai-2024

Distrikan’i Manjakandriana

Efa miasa ary tena hiasa ho an’ny vahoaka i Zoky Misa N°2

Sample post image

Miroso ny dia ho an’ny kandida Zoky Misa laharana faharoa ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana.

21-mai-2024

Maneho hatrany ny tenany fa mbola tsy lany dia efa miasa sy manome asa mivantana ho an’ny tombotsoa iombonana. Mitondra tan-tsoroka ho an’ny mpiara-belona. Mampiseho haitarika nentina namondronana ny fokonolona hiara-hisalahy, toy ny fiaraha-manamboatra ireo teboka tena ratsy na « point noir » eny amin’ny lalana, izay tena mavitrika tokoa ny vahoaka miara-misalahy aminy, ka ity kandida ity sy ny ekipany no miantoka sakafo ho an’ireo vahoaka eny am-panatanterahana ny asa. Ankoatr’izay ny fanolorana tafo ho an'ny tobim-pahasalamana sy fianarana sasantsasany ao anatin’ny distrika. Ho an’ny tanora dia manolotra isika baolina sy « maillot » ary « filet » izay hapetraka ho fananan'ny kaominina mba tsy hanofa isaky ny mikarakara lalao ara-panatajahan-tena. Mizara fintana fa tsy mizara trondro ny Kandida Zoky Misa, ka manomboka miparitaka ireo Ivon-toeram-piofanana na « Centre de formation » ao anatin’ny Distrikan’i Manjakandriana, izay fiaraha-miasa amin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana na ny FTT tarihin’Atoa Tahina Razafinjoelina. Ity farany izay mety hidina ifotony tsy ho ela any amin’ny distrikan’i Manjakandriana, raha tsy misy ny fiovana. Efa misy 3 izao no efa voatsangana dia ny ao amin’ny Kaominina Sambaina, Miadanandriana, ary Ambatomanga. Tombony ho an’i Zoky Misa ny maha tena zanaky ny distrika sy mahalala tsara ny filan’ny faritra sy ny vahoaka. Tena olom-baovao , ary tena miasa na mbola tsy mahazo toerana aza. Manana « cabinet juridique » ary hiezaka handray izay fitarainan' ny mponina ny tenany, ary mieritreritra hametraka ny antsoina ilay antsoina hoe : « bureau de doléances » na birao fandraisana fitarainana, hahafahana mihaino sy mifampiresaka tsy tapaka amin’ny vahoaka, hitondrana sy hiadiana ny tombotsoan’ny valalabemandry eny anivon’ny Antenimiera. Manentana hatrany ny vahoakan’ny distrikan’i Manjakandriana noho izany i Zoky Misa handrotsaka ny laharana faha-2 amin’ny 29 mey ho avy izao, ka nanome toky fa tena hiady sy hiasa ho an’ny vahoaka.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap