Nambaran´ity mpitsabo ao Toamasina ity, fa «mahalala fa tsy bado ny vahoaka, ka aza fitapitahina. Raha fantatrareo fa tsy ho azo ny fankatoavana iraisam-pirenena mba hamahana ny famatsiam-bola vahiny, dia mahaiza manaja tena miala !». Nohamafisiny ihany izay teniny izay ka nilazany fa «misy fetrany ny fahazakan´ny Malagasy izao krizy iainany izao, ka ho sahirana ireo mpitondra ireo raha mbola miziriziry eo». Ho an´ny Dr Rakotomalala Harry kosa, dia tsy olana ny fahatongavan´ny amiraly Ratsiraka satria Malagasy izy ary efa niala an-tanindrazana ihany koa. Nolazainy hatrany fa amin´ny maha ray aman-dreny azy dia rariny raha mitondra ny anjara birikiny amin´ny famahana ny krizy sy ny olana ary ny fahoriam-pirenena izy.
Nambarany hatrany fa «misy dikany ireny fanaovany paompy vao tonga ireny, satria raha amin´ny maha miaramila azy, dia midika sazy ny toy ireny, nefa avy eo nampiseho fifankatiavana sy fihavanana ny tenany, satria Ravalomanana no niresahany voalohany ary fangatahana famoahana gadra politika no nangatahany, ankoatra ny fandevenany ny sabatra sy ny lefona fa tsy hiady intsony izy fa hanolo-tanana hampandrosoana an´i Madagasikara anaty lavaky ny fahantrana». Tsy nisalasala koa anefa ny Dr Rakotomalala Harry nanakiana ny fitsabahan´ny Frantsay amin´ny raharaham-pirenena, amin´ity mpitsabo ity dia «mahatonga ny raharaha tsy mety hivaha sy mampisy ady tsy mety hifarana eto ny fidiran´izy ireo be loatra amin´ny raharaha politika malagasy, na ny filohan´ny FAT aza efa zary ho saribakoly mihitsy noho ny ataon´izy ireo.
Rakoutou
Tafiditra ao amin’ny sokajy fitondrana "hybride", izay manambatra ny demokrasia amin'ny
Tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo nandritry ny fankalazana ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina
Ao anatin’ny 3 volana fahatelon’ny taona 2025 isika, saingy mbola tsy mandeha aloha ireo tetikasa
Isan’ny mpikamban’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM
Tazana nitaingina fiara vaovao ny filoham-pirenena Andry Rajoelina raha namonjy lanonana ofisialy omaly maraina.
misitraka feno ny zony ao anaty firenena tan-dalàna.