airtel

Politique

21-juin-2024

Durlin Retogniane

«Mila finiavana politika ahafahantsika misoroka krizy»

Sample post image

Tsy misy zavatra tsy azo tanterahana anaty teny ifampiherana, hoy ny antoko politika Fiombonana.

21-juin-2024

Raha ohatra ka nifampiherana mialoha ireo sosokevitry ny fiarahamonim-pirenena sasany toy ny hoe tokony hisy mpitsara ny HCC ihany koa na fanasaziana ireo tomponandraikitra nanafoanana ny voka-pifidianana amina toerana sasantsasany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, dia azo notanterahana. Inona moa no nanakana antsika tsy hanao izany nialoha ilay zotram-pifidianana, hoy izy, mba hahafahana manatsara izany zotram-pifidianana izany? Raha hanatsaràna ny fifidianana kaominaly ho atrehintsika amin’ity taona ity dia azo heritreretina izany. Mbola mipetraka ihany nefa ny fanontaniana hoe vonona hiroso amin’izany ve ny fitondram-panjakàna ankehitriny? Izy izao no mahazo ny maro an’isa amin’ny vokatra vonjimaikan’ny CENI. Andrasantsika izany eto ny vokatra ofisialy ho avoakan’ny HCC izay tsy hinoako hoe hifanalavitra amin’ny zavatra navoakan’ny CENI. Mila finiavana, noho izany, ny hampiditra ireo fanatsaràna amin’ny fifidianana manaraka. Mila finiavana politika amin’ireo solombavambahoaka mahatsapa tena fa tena ilain’ny firenena izany ahafahantsika misoroka ilay krizy aorian’ny fifidianana amin’izay fifidianana mety ho atrehintsika. Tsy amin’ity taona 2024 ity ihany fa izay fifidianana hoavy rehetra. Nisy hafatra aza nataon’ny tenanay tao amin’ny tambazotran-tserasera hoe manana iraka na «mission» ireo solombavambahoaka lany ireo satria ny ankabeazan’ireo dia saika lasibatr’izany tsy fahatomombanana nefa tsy nohenoina izany fitarainan-drizareo izany. Raha manana 5 taona izany ry zareo ahafahan-drizareo mijery mandritr’izay 5 taona izay hoe inona no lesoka tamin’izay fifidianana nisy hatrizay, indrindra, tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023 teo sy ny solombavambahoaka vao natrehintsika tamin’ity 2024 ity? Samy nahatsapa hoe nangalaram-bato daholo, hono, tsinona. Rehefa mahatsapa tena fa misy izay tsy fanarahan-dalàna samihafa izay izany ny solombavambahoaka dia tokony tsy hiraviravy tanana rehefa tonga eny Tsimbazaza hijery amin’ny antsipiriany hoe ahoana no atao hisorohana ireo tsy fahatomombanan’ny zotram-pifidianana ireo amin’ny hoavy, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap