airtel

Politique

25-sept-2024

Durlin Retogniane

«Tsy nahay naka lesona sa tsy manam-bola ny fitondrana?»

Sample post image

Tokony hiheritreritra ny fitondram-panjakana manoloana izao fahalainan’ny olona

25-sept-2024

hirotsaka amin’ny fifidianana kaominaly izao, hoy ny antoko politika Fiombonana, satria adidin’ny fitondram-panjakana ny manao izay haha maro an’isa, tsy ny kandida ihany fa indrindra ireo mpifidy izay manan-jo isafidy izay olona tiany hitondra ny tanàna misy azy. Tokony mametra-panontaniana ny fanjakàna, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Durlin Retogniane, hoe inona no mahatonga ilay fahavitsian’ny olona tonga nandrotsaka dosie teny anivon’ny OVEC izay? Manohintohina ny safidin’ny vahoaka koa izany satria mety tsy havitrika ireo vahoaka ireo rehefa tsy hitany ao ilay kandida tiany hitondra fampandrosoana ao amin’ny kaominina misy azy. Fifidianana tena manakaiky vahoaka ity. Efa hitantsika ny lesoka tamin’ny fifidianana depiote dia anjaran’ny fitondram-panjakana izany ny mijery hoe ahoana no hanatsarana ny fifidianana kaominaly. Tsy nahay naka lesona sa tsy manam-bola ny fitondram-panjakana? Azo heritreretina koa tsinona izay faharoa izay hoe tsy manam-bola izy dia mijery hoe ahoana no fomba tena ahafahana mijery ireo kandida manam-bola afaka hametraka izay dosie izay eny anivon’ny OVEC mba hahafahana mamatsy vola ny CENI ihany koa? Ny tanjon’ny fitondram-panjakana tsinona dia hoe ahoana no hahafahana manilika ireo kandida mety hanelingelina azy. Mifanohitra amin’ilay tanjona ho an’ny fitondram-panjakana tena mandala demokrasia dia ny haha maro an’isa ny kandida sy mpifidy nefa izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap