ka mahatonga ny Firenena Malagasy ho ao anatin’ny rambony sy firenena fadiranovana maneran-tany. « Mandroso noho i Mali, Soudan,… isika. Nolazainy fa niresaka tamina mpahay toekarena izy, ka betsaka ny asa fa tsy manara-dalàna tsy voakajy amin’ireny fanadihadiana ireny, ka tsy ekeny mihitsy ny filazana fa -600 dolara isaky ny mponina ny harin-karena faobe isam-batan’olona na PIB/Habitant. Sehatra tsy ara-dalàna ve no hialokalofana ? Milaza i Andry Rajoelina fa betsaka ny asa, kanefa betsaka ny mikarama ambany karama farany ambany voafaritry ny lalàna izay 250000Ar mahery kely izay vary 62,5kg anie no azon’izany ! Dia aiza no iainan’ny Malagasy ? Mali sy Soudan ve no alaina ohatra lazaina fa mbola resintsika mba hanadiovan-tena kanefa na mbola anatin’ny Firenena 20 farany aza isika mbola henatra. I Sénégal ohatra ho tafala anatin’ny PMA (Pays Moins Avancés) fa i Madagasikara anie ka toa milentika any anatin’ny PPTA (Pays Pauvres Très Endettés). Izany ve no mpitarika mendrika aty Afrika ny Filohantsika? Tsy mora ny firenena nentintsika, nanarina ny tsy fetezana maro, tsy fahaizana mitantana maro,… nanilika hatrany ny tsy fahombiazana any amin’ny mpitantana teo aloha. Toa misy endrika fanintsiana an’i Andry Rajoelina anefa ny ny nilazan’ny Minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison izay nilaza fa ny fikajiana ny tahan’ny harin-karena faobe, dia manaraka ny maodely ara-toekerana efa mipetraka mazava tsara. Ny maodely ampiasain’ny FMI no hanaovantsika ny kajy, hoy izy. Namoaka tatitra io minisitra io fa ny 2018 dia 3,2% ny fiakaran’ny harin-karena faobe na PIB teto Madagasikara, 4,4% ny 2019, niiba na -7,1% ny 2020, teo amin’ny 4,7% ny 2021, nidina 4,4% ny 2022, nidina 4,3%, niazoazo 4,4% ny 2024, ary vinavinaina ho 5% ho an’ny 2025. Sehetra maro moa no nolazaina fa hitondra vokatra miabo amin’ny harin-karena ho an’ny 2025 ka 9,5% ny fambolem-bary, 8,9% ny fanjonoana noho fahazoan-dàlana hanjono 121. Eo amin’ny 4% ny fanodinana vary, 3,6% fanamboarana làlana sy trano, 14,9% ny fizahantrany sy toeram-pandraisam-bahiny, 13,7% ny tontolon’ny fahitalavitra. Tsy vao izao anefa ny nilazana sy nilalaovana resaka fampandrosoana sy asa atao fa isan-taona misy fanolorana PGE na Programa ankampoben’ny Fanjakana sy ny drafi-panantanterahana azy, saingy io iaraha-mahita io ny zava-manjo ny Firenena.
FA IZA NO MANAKORONTANA ? INONA MITERAKA FIKORONTANANA ?
Mba nilalao tarehimarika i Andry Rajoelina hiarovany ny tenany, ka nilazany fa 3,2% ny harin-karena tamin’ny 2018 fa amin’izao 4,4% ka nisy ezaka be natao. Nolazainy fa 3,6% ny salan’isa aty Afrika Atsimon’i Sahara raha efa 4,4% ny antsika, ka nanambaran’i Andry Rajoelina fa hanatsara ny fari-piainan’ny Malagasy izy. Fa manao ahoana moa ny fari-piainan’ny Malagasy ankehitriny. Toy ny kabary politika faheno matetika, nolazaina fa tsy ilaina ary tsy mila korontana ny Firenena. Tsy mendrika ary tsy manana toerana eto ny fanakorontanana. Manana ny lalantsaina hoentina mampandroso isika, ary tsy tia tanindrazana izay mieritreritra hanakorontana? Tena misy manakorontana eto sa ny Fanjakana na mikorontana ho azy noho ny tsy fahombiazana ?
Toky R
Raikitra ny fampitenenana na fiarovana ny fitondrana nataon’ireo olom-boafidy
Misy karazany maro ny fampihavanana ilaina eto amin’ny firenena, hoy ny mpanao politika, Lahatra Andriamahatsangy.
Naneho hevitra mikasika ny filankevitry ny Minisitra nalefa ampahibemaso omaly ny mpanao politika izay efa kandida
Hita ho tena mangotraka ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ary tena mafana tokoa vao manomboka ny
Tsy azo ihodivirana ny fifanatonan’ny herivelona rehetra eto Madagasikara manoloana izao olana misy eto amin’ny firenena izao.