hoy ny filohan’ny antoko politika Kristianina manao politika, Eliace Ralaiarimanana. Diovy ny sainareo hitoerako, hoy ny Tompo, hoy izy, ka tsy mankahala olona aho fa mankahala ny toetra ratsiny kosa. Nitantana firenena ianao 7 taona tsy nahalala namaha olana fa amin’izao vao mitaky ny hoe tokony ovaina ny lalàm-pifidianana sy ny toy izany. Efa nambarako foana fa tapitra ny 19 janoary 2024 ny fe-potoana hahafahan’ny mpitondra farany teo mitondra ity Madagasikara ity. Hiakatra eo, araka ny tenin’Andriamanitra hoe “Elatra no iakaran’izay matoky ahy!”, ary tsy azon’iza na iza sakanana izay matoky an’Andriamanitra. Sokafy ny fonareo itoeran’ny teniko, hoy ny tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy ho tanteraka ny tenin’Andriamanitra fa i Satana efa resy. Amin’ny anaran’i Jesosy no hitenenako hoe tsy hanam-pahefana eto intsony i Satana sy ny mafia, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana, momba ny raharaham-pirenena sy ireo
Tsy misy andro iray mandalo eto ka tsy andrenesana hoe nisy fivoriana, atrikasa, famelabelaran-kevitra, fiofanana.
Manome vahana ny mpanao didy jadona ny fahanginan’ny vahoaka»
Potika ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny fihetsika politika na
Nahafahana nitsapa tsara ny alalin’ny rano eo amin’ireo mpitodra fanjakana eto madagasikara sy ny mpomba azy
Tafiditra ao amin’ny sokajy fitondrana "hybride", izay manambatra ny demokrasia amin'ny