airtel

Politique

16-août-2024

Fahalanian’i Gascar tao Antananarivo III

Hovoizina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna

Sample post image

Iray volana sy tapany taorian’ny naha ofisialy ny nahalaniany ho depiote tao amin’ny Boriborintany faha-3

16-août-2024

eto Antananarivo, nanangana ny « Mouvement Gasikara » na « MG » ny solombavambahoaka Gascar Fenosoa, araka ny fanambarana ofisialy ny alarobia teo. Nilaza fa mpampitambatra ny loko politika rehetra io, hiverina ho an'ny Malagasy ka tsy hanompo olona na vondron'olona na vahiny fa ny vahoaka no « patron ». Nanambara hipetraka ho hery fahatelo, ka misarika ny saim-bahoaka hisintaka sy hiala lavitra ny endrika ampihimamba politika sy fibahanan-toeran’ireo hery politika roa nifanandrina an-taonany maro, izay toa tsindro-paingotra ho an’ireo Filoha miralahy mianaka dia i Atoa Marc Ravalomanana sy Atoa Andry Rajoelina. Miantso ireo leo adilahy politika, indrindra ny fifandirana teo amin'ny olona na vondron'olona tsy nety tapitra tao anatin'ny 15 taona, ary hiala lavitra ny fanompoana tsangan’olona i Gascar Fenosoa. Efa nisy kandida Filoham-pirenena nanao io resaka io, ary io misy mivoy io. Nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna manerana ny Nosy moa ity « MG » ity, ka milaza fa hanova ny tantaran’i Madagasikara. Manasokajy ny tenany ho lasibatra ara-politika na « victime » moa i Gascar Fenosoa, ka milaza fa vao misy tanora misandratra te hanova ny Firenena dia kantsanana satria mety misy tombotsoan’olona voakitikitika. Notondroiny fa ny mpivoy hoe : ny mpandraharaha goavana iray no mamatsy vola azy, dia tsy ny mpomba ny fitondrana loatra izany hoe : ny mpanohitra na tsy novantaniny aza, ka nilazany fa tsy marina ny Filazana fa aon-damosiny ny mpandraharaha mpanefoefo iray. Nilaza ihany anefa izy fa nisy ireo mpandraharaha nanohana azy, fa ity farany no tsy anisany. Tsy zakan’ny mpanao politika ny rivo-baovao tao amin’ny Boriborintany fahatelo satria nampianarina ny vahoaka Malagasy fa na ianao mpomba na ianao mpanohana, hoy i Gascar Fenosoa. Tsara ny finiavana politika tiana hatao sy haseho, zava-dehibe ny finiavana hitondra rivo-baovao amin’ny politika. Tsy tsatsara kokoa ve anefa hita ny vokatra azo tsapain-tanana amin'ny fisoloana vava ny vahoakan'ny Boriborintany fahatelo mba ahitan'ny olona fa mahomby vao miditra amin'ny hoe: « mouvement » fa toa lasa fampalazana tena na « vedettisme » hararaotina amin’ilay fahalaniana tao amin’ny boriborintany fahatelo hitarina any amin’ny fifidianana ben’ny tanàna no lasa aloha ? Amin’ny politika, tsy misy ny zavatra kisendrasendra ! Mba te haka tahaka ny làlan’i Andry Rajoelina tamin’ny 2007-2009 ve na koa maka tahaka ny « mouvement en marche » an’i Emmanuel Macron i Gascar Fenosoa ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap