airtel

Politique

27-juin-2024

Fahaleovantena, fampiraisana ny Malagasy

Lasa poakaty satria tsy maodely ny mpitondra…

Sample post image

Tontosa an-tsakany sy an-davany ny matso lehibe tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina

27-juin-2024

nanamarihana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantena sy ny fijoroan’ny foloalindahy Malagasy. Isan’ny nisongadina ny tsy dia nisian’ny fanasana vahiny manan-kaja lehibe avy any ivelany, izay toa maneho fa tsy ampy vola ny Fanjakana. Novaina ihany koa ny fomba fihirana ny hiram-pirenena omaly,… Niarahaba ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka tratry ny asaramanitra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. « Enga anie hamelona ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ao am-pontsika tsirairay avy, ary ny faniriana, dia hiray fo, hiray saina, hiray hina ny Malagasy rehetra, hiaraka handroso sy hampandroso an’ity Nosy Malalantsika ity. », hoy i Andry Rajoelina tao anatin’izany. Tsy ny fetin’ny fahaleovantena ihany, fa tsingerin-taona nijoroan’ny foloalindahy, ka niaraban-dRajoelina azy ireo. « Madagasikara mandroso, malagasy miara-mientana ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana », teny iombonan’ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy ao anatin’ny asaramanitra. Ny foloalindahy no tandroka aron’ny vozona miaro ny vahoaka sy ny fananany, aro sy rakotry ny tany, tandroka aron’ny vozona, miaro ny fiandrianam-pirenena, mitaky fanoloran-tena sy fitiavan-tanindrazana izany, hoy izy. Toy ny fombafomba fanao amin’ny matso tahaka ireny, dia nanontany ny fahavononan’ny Foloalindahy hiaro ny tanindrazana sy ny fiandrianam-pirenena ny Filoham-pirenena, ary nilaza fa ilaina tanterahana ao anatin’ny firaisan-tsaina sy ny fiombonam-po ny fampandrosoana ny firenena, tsy hanaiky hozarazaraina isika, fa hiara-hiroso, hiara-hisalahy, hampandroso ao anatin’ny vina izay apetraka ho an’ity Nosy ity. Ny resaka fahaleovantena, moa tena mipetraka ve : fitantanana, toekarena, vola, rafitra, mpitondra,… sa mbola ny vahiny no tena mifehy izany ? Ny Filoha aza mbola adihevitra tsy vita ilay zom-pirenena Frantsay ! Tena mijoro ho mpampiombona sy Raiamandren’ny Firenena ve i Andry Rajoelina ? Ny andininy faha-45 amin’ny lalàmpanorenana no maneho, fa « Ny filoham-pirenena no mitandro ny fiarovana sy fanajana ny fiandrianam-pirenena na eto an-toerana na any ivelany. Izy no miantoka ny Firaisam-pirenena. ». Tena vitan’i Andry Rajoelina ve izany ? Tena vitany ny mametraka firaisam-pirenena sa mbola mipetraka ho filohana vondron’olona na filohan’antoko ?

VAO MAINKA MAMPISARA-BAZANA ?
Niaraha-nahita sy naheno ny fihetsika amam-piteny nataon’i Andry Rajoelina tao anatin’ireny vanim-potoanan’ny propagandy farany teo ireny, raha tsy hilaza afatsy ny filazana fa mila olona afaka hiara-hiasa aminy hofidiana ho solombavambahoaka, fa tsy ireo ambarany fa mpisakana fampandrosoana raisiny ho fahavalo politika, raha izy no tokony handravona sy ho fitaratra. Fitaratra amin’ny firaisam-pirenena ve i Andry Rajoelina eo anatrehan’ny endrika fandikan-dalàna maro vao mainka miteraka lonilony ara-politika, mbola miampy ny endrika fandrahonana tahaka ny niseho tany Toamasina momba ny fifidianana. Vitany ve ny fampiraisana firenena eo anatrehan’ny fitsitokotokoan-kevitra, eny fa hatramin’ny fananganana sainam-pirenena aza betsaka no nisafidy tsy hanao izany satria mahatsiaro fa mbola tsy misy fahaleovantena, mpitondra mbola vazaha, tsy mahavita akory mandresy lahatra fa tokony hampandeferina ny tsy fitovian-kevitra ary tsy misy hidiran’izany ny fananganana sainam-pirenena,… Ny politika izay, fa ara-tsosialy dia adinodino kely tao anatin’ny roa na telo andro aloha izany ny fahantrana ho an’ny Malagasy satria mba samy nanao mason-tsokona masom-boalavo teo nenti-niatrehana ny fety izay tao anatin’ny fahantrana, notakotakonana tamin’ny « show drones » sy afomanga teo,... Asa fampandrosoana inona ilay tanisain’ny fitondrana isak’izay miodina eo anatrehan’ny Madagasikara tsy maintsy mandroso, kanefa ny Malagasy miha milentika ao anaty fahantrana lalina, ary mbola manambana ny krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy atsy ho atsy raha tsy hilaza afatsy ny resaka vidin-tsolika,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap