airtel

Politique

28-juin-2024

Faharesen’i Lalatiana R.

Felaka tehamaina sy tsipaka am-bavafo ara-politika…

Sample post image

Horakoraka ny tao amin'ny HCC taorian'ny fanononana ny didim-pitsarana nanambara fa i Ramilison Nomenjanahary no voafidy

28-juin-2024

amin’ny fomba ofisialy ho solombavambahoakan’i Faratsiho. Lany i Mily na dia nanesoran’ny HCC 142 aza ny vatony, izay tsy nampiova firy ny elanelam-bato azony izay nihoatra 2351 tamin’ny an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Mazava eto ny faharesen’i Lalatiana Rakotondrazafy, didy tsy azo ivalozana, tsy idian-kevitra moa ny an’ny HCC. Misy dikany goavana eo amin’ny tontolo politika amin’ny ankapobeny ity nitranga tany Faratsiho ity satria minisitra am-perinasa i Lalatiana Rakotondrazafy, sokajian’ny maro ho isan’ireo « Joker » n’ny fitondrana Rajoelina no resy na dia efa nikofokofoka mafy sy nanao vava be tetsy sy teroa aza. Isan’ireo olona tena tsy voahozongozona tao anatin’ny governemanta tao anatin’ny 6 taona nitondran-dRajoelina, na dia novaina ho Minisitry ny fampianarana teknika tamin’ny governemanta farany teo. Azo heverina ho hafatra mafonja ho an’ny fitondrana iny ny amin’ireo fomba fiasa sy fomba fitantanana hafahafa ka nahatonga ny olona tsy mahatoky intsony ireo olon’ny fitondrana. Etsy ankilan’izay maro loatra ihany koa ny resaka nahavotonotonona an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy ka mety nanaratsy endrika azy teo imason’ny mpifidy tamin’ny ankapobeny. Niezaka nampiseho "fair play" niarahaba ny depiote omaly i Lalatiana Rakotondrazafy saingy hita ihany hoe nalahelo ary somary nanindro-paingotra kely ny HCC mihitsy aza. Nialohan’izay dia nandeha ny feo tamin’ny mbola fiezahana hanavotra ity Minisitra teo aloha ity, saingy tsy nisy hevitra intsony, ary mety natao sorona hanehoana hoe : io ary fa tena tsy mitanila tokoa ny HCC. Misy ny maneho, fa kihon-dàlana ho an-dRajoelina sy ny volomboasary nanakisahana an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy iny, izay izy no hany minisitra tokana tamin’ireo 7 narotsaka no tsy lany. Ny tenany izay efa kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo nifaninana tamin-dRtoa Lalao Ravalomanana, saingy tsy lany na niditra an-tsehatra nanao propagandy aza Atoa Andry Rajoelina. Raha tonga tany amin’ireo distrika maro nisy kandida IRMAR ny Filoham-pirenena tamin’ity dia tsy anisany ny tao Faratsiho. Ny lojikan’izao, dia tsy marin-toerana ho tafaverina ao anatin’ny governemanta ity Minisitra teo aloha ity, raha vao mainka mihamafy kosa ireo minisitra hafa amin’ny lafiny fahamarinan-toerana na « légitimité » satria avy nisedra fifidianana ary lany. Tandindon’ny antenimierampirenena rahateo no tokony ho endriky ny governemanta. Hanavotra azy ka hamerina azy ao amin’ny governemanta ve i Andry Rajoelina sa hanome azy andraikitra hafa toy ny toerana ambasadaoro ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap