hanamafisana ny fitakiana ny fiandrianam-pirenena, hitakiana fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra,… Mandeha kosa etsy andaniny ny tetika rehetra hoenti-mandoto izany, tahaka izany ihany koa ny fanatsatsoana miseho amin’ny endriny maro, ny fivoizana fa tsy mila korontana,… Niparitaka, ohatra, ny hafatra na “tract” miendrika fanosoram-potaka sy fampiadiana vahoaka toy ny fanentanana hivatsy lasantsy, kibay, fivoizana fandorana ny lapan’ny tanàna, mangazay,… Miresaka foko sy fihaviana mba handranitana olona. Tanjona ao anatin’izany rehefa zohiana ny hanao izay hankahalana ireo mpanao politika isan-tsokajiny tahaka ny Vondron’ny kandida sy ireo olom-boafidy mitarika ny vahoaka. Nisy, ohatra, ny loharanom-baovao azo omaly, fa filoham-pikambanana roalahy izay miara-dia amin’ny vondron’olona sy antoko tsy anatin’ny fanoherana no nizara vola sy vary any ambany tanàna ka hanao fifandonana na “confrontation” eo amin’ny samy vahoaka ary hanao tora-bato mangony fotsiny ireo miaramila maro izay nafarana any amin’ny Faritra. Fifandrifian-javatra ve hoe: ireo pejy mpanohana ny fitondrana no nanaparitaka voalohany ny fisian’ny “tract” ambara fa avy amin’ny mpanohitra? Fifandrifian-javatra ihany koa ny nilazan’ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina omaly fa misy mikasa handoro ny lapan’ny tanàna? Inona no tsy nandraisan’ny Fanjakana andraikitra tonga dia nisambotra raha olon’ny fanoherana tokoa no tompon’antoka? Tanjona ihany koa ny hanaovana izay fomba rehetra hanakanana ny olona tsy ho eny amin’ny 13 May. Hofenoina mpitandro ny filaminana ny toerana rehetra ary ho sakantsakanana sy ho helingelenina ny olona. Ho pempoina ny sainy tsy hanaraka ny hetsiky ny vondron'ny kandida. Hisy miaramila eny Anosy, Mahamasina, Soarano, Antanimena Behoririka izany hoe: any amin’izay vavahady rehetra miditra ny afovoan-tananan'Antananarivo. Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, misy mpanao politika voalaza fa manangon’olona hilaza fa manimba ny asa fivelomany io hetsika io, ka tsy ekeny ary vonona izy ireo handray andraikitra amin’izay minia mbola mankeo. Ny miaramila hanao sakana anankitelo eo miantoana, ka raha vaky ny 1 sy ny 2. Ny 3 tena hampiasa fitaovam-piadiana. I Andry Rajoelina. Mandeha kosa ny antso avo ho nataon’ireo vovononana miray feo amin’ny fitakiana, mba tsy hanaiky ho resin’ny fanakiviana, ho mailo eo anatrehan’ny fandotoana amin’ny endriny samihafa ny fitakiana izay mifototra amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena ka tsy hanekena ny vazaha hirotsaka hofidiana filohan’ny Malagasy, fitakiana fifidianana madio sy milamina ary andraisan’ny rehetra anjara, fanoherana ny fampahantrana firenena.
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…