airtel

Politique

30-mai-2024

Fahataran’ny fisokafan’ny biraom-pifidianana

«Tsy tokony ho nitranga raha niomana araka ny tokony ho izy»

Sample post image

Araka ny fanazavan’ny mpampakateny ankapoben’ny CENI na ny vaomiera mahaleotena

30-mai-2024

misahana ny fifidianana, Soava Andriamarotafika, dia isan’antony maha tara ny fisokafan’ny biraom-pifidianana ny olana ara-materialy na «erreur matériel». Tamina fokontany iray, ohatra izao, hoy izy, satria raha ny tokony ho izy efa miaraka anaty fonosana iray ireo «imprimé sensible» na antotan-taratasy saropady miaraka amin’ny bileta tokana na « bulletin de vote» izay tany Afrika atsimo ary efa voamarina hoe ireto sy ireto mankatsy amin’ny fokontany izao na izao. Rehefa tonga eny anivon’ny fokontany anefa ilay izy dia mety mifamadika tampoka dia mbola mila mandamina an’izay izany. Tsy tokony ho nitranga nefa ny fahataran’ny fisokafan’ny biraom-pifidianana raha niomana araka ny tokony ho izy ilay biraom-pifidianana, hoy hatrany ity RG ity nanazava ny antony mety ho naha taraiky ny fisokafan’ireo biraom-pifidianana sasany nandritry ny fotoam-pifidianana solombavambahoaka omaly 29 may 2024.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap