airtel

Politique

19-févr-2025

Famadihana palitao tao Mahajanga

Nesorina tsy ho HVM i Dadilahy mpanolontsaina monisipaly

Sample post image

Nanapa-kevitra ny antoko HVM tamin’ny alalan’ny Birao politika nasionaly fa manala tsy

19-févr-2025

ho mpikambana ao anatiny intsony ireo mpikambana namadika palitao tao Mahajanga, araka ny tatitra voarain'ny birao politika nasionaly avy amin'ny mpandrindram-paritry ny antoko ao Boeny ny 10 febroary 2025, momba ny fandikana ny fitsipika anatin'ny antoko nandritra ny fifidianana ny birao maharitry ny filankevim-pitantanan'ny kaominina ambonivohitr'i Mahajanga I. Araka ny fanambarana nataon’ny HVM omaly dia nesorina Atoa RASOLOFONIRINA Jean Michel José Andriamady (Dit Dadilahy). Noho izany dia, tsy afaka misolo tena sy maneho hevitra amin'ny anaran'ny antoko HVM izay notohanan'ny FIRAISANKINA izy amin'ireo sehetra politika izay andraisany fanapahan-kevitra. Ny antoko HVM dia mijoro hatrany amin'ireo fironan-kevitra politika nilofosany sy amin'ny maha mpanohitra azy mba ho fanajana ny etika politika manoloana ny fiatrehana ny raharaham-pirenena, hoy ny fanambarana. Tsiahivina fa nisy mpanolotsaina voafidy tamin'ny Antoko HVM tao Mahajanga nifidy ny filohan'ny filankevitra monosipaly natolotry ny IRMAR.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Tsiahivina, hoy ny antoko politika Teza, fa ny frantsay, ny vondrona eoropeanina,

Card image cap
26-mars-2025

Manamafy ny tsindry hamoahana an’i Paul Maillot Rafanoharana i Frantsa, amin’ny alalan’ny loholona Christophe-André Frassa,

Card image cap