airtel

Politique

12-avril-2023

Politique

Famatsiana fifidianana «Misy vola arangarangan’ny Base Toliara ao »

Sample post image

Mitana ny saina ny mikasika ny orinasa Base Toliara, izay miheritreritra hitrandraka fasimainty any amin’ny faritra atsimo andrefana, hoy ny filoha lefitry ny fikambanana Masikoro Arivolahy na FIMA, Elia Rabevahiny.

12-avril-2023

Ao amin’ny distrikan’i Toliara II moa izany no marimarina kokoa. Mihazakazaka be amin’izao fotoana ny seraseran’ireo vondron’olona milaza fa manohana ny fisokafan’io orinasa io. Ny nafana indrindra farany mikasika ity raharaha ity dia tamin’ny fitondrana HVM satria tamin’izany no niheritreretana hoe handeha amin’izay ny fitrandrahana ao. Nanomboka teo no nijoro ny olona nisakana izany satria betsaka no tsy mazava ao. Be loatra ny fikambanana vao noforonina nilaza fa mankato ny fisokafan’io orinasa io ny mponina any an-toerana nefa diso izany ka antony mahatonga anay hijoro. Raha miresaka izany faritra atsimo andrefana, distrikan’i Toliara I sy II izany isika dia ny foko masikoro no isan’ny maro indrindra. Mijoro amin’ny fanakanana ny fitrandrahana kasain’ny orinasa Base Toliara atao izahay satria amin’izao fotoana izao dia misy ilay karazana fikambanana mijoro amin’izao fotoana hoe mitaky ny hisokafan’io satria tsy misy ny asa dia hoy aho hoe aleo tsy hifamitaka isika fa ireny karazam-pikambanana ireny dia ampiasain’ity orinasa ity, omena vola hilaza fa solontenan’ny fokonolona na foko iray. Ny tena tompon-tanana toy ny masikoro anefa dia mijoro amin’ny fanoherana an’io. Ny 13 febroary izahay nidina ifotony tany an-toerana namorianay olona tao Kilimanitsy, Benentsy, miisa 3000 mahery eo. Ireo izany ilay olona tena voakasik’ity raharaha ity satria ny kaominin’i Tsiasira sy Ikilimalinika moa no mifanakaiky eo. Efa misy toeram-pitrandrahana goavana toy ireny eto amintsika fa nitondra inona nefa? Aleo tsy mifamitaka! Misy heverina ho manam-pahaizana nefa mamitaka sy milaza fa tsy voakasik’io ny alan’i Mikea ary tsy misy fiantraikany ara-tontolo iainana io nefa tsara ny manamarika fa misy dingana miisa 3 arahan’ny Base Toliara amin’io. Ny voalohany dia ilay PK 32 izay misy ny ranon’Ihosy. Ny faharoa, fanivanana na «dépouille» ary fahatelo mahakasika ny distrikan’Ihorombe izay misy ny alan’ny Mikea. Karamain’ny Base Toliara hatramin’ny ben’ny tananan’Ikelimalinika hifampiresaka amin’ny ONE dia miara-mampiantso mpanao gazety handresy lahatra amin’ny mampety an’io. Ben’ny tanana amina kaominina kely sahala amin’ireny dia mena ambanin’ny mena ary mety tsy mahafantatra akory ny tena fiantraikan’io zavatra io. Matoa koa mihetsika ny ONE dia manamarina ny ahiahinay izany satria mandeha ny resaka fa miheritreritra hiroso amin’ny fifidianana isika. Tsy manam-bola ny fanjakana na hikarakarana fifidianana na ho enti-mihetsika amin’ny propagandy. Izay no hihazakazahana hamatsiana an’io satria misy vola arangarangan’ny orinasa Base Toliara ao hanampiana ny fahafahan’ny mpitondra fanjakana manao fampihelezan-kevitra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap